Enina izy ireo, ny dimy dia mbola zaza tsy ampy taona avokoa ary ny iray, lehilahy 32 taona, izay voalaza fa lehiben’ireto zaza mpanendaka ireto. Izy rahateo no maniraka sy mamporisika ireto ankizy ireo hanao tontakely : hanangarom-paosy eny amin’iny faritra Isotry iny. Ny faran’ny herinandro teo no voasambotra izy ireo, teny ambonin’ny tetezan-dRamala iny.
“Ny Polisim-pirenena dia manentana ny olom-drehetra mba hitandrina sy ho mailo hatrany rehefa eny amin’ny toerana be olona, indrindra amin’izao fahatongavan’ny vanim-potoan’ny fety izao, fa tsy kely lalana ireo mpanao ratsy tahaka ity tranga iray ity, izay tsy vao voalohany no nahitàna ny tahaka izany” hoy ny vaovao. Manakaiky tokoa ‘ny fety. Tomefy olona avokoa ireo toerana misy tsena eto an-drenivohitra. Hifandritahana ny taxibe. Mihamitombo izay tsy izy ny fitohanana … Manjaka ihany koa ny tontakely ! Manao ny ezaka rehetra ahafahan’ny tsirairay hanao fety anaty fitoniana sy fandriampahalemana ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Misy hetsika manokana mandeha amin’izao. Tao anatin’izany, nandritry ny fisafoana teny amin’ireny faritra mafana ireny, ny teny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny no nahatsikaritra ireto andiana zaza manao asa ratsy ireo mpanao fisafoana. “Mpivady iray niantsena teny an-toerana no efa lasibatr’izy ireo. Talohan’izay ka nametraka fitarainana tamin’ireo Polisy miasa eny an-toerana” hoy ny vaovao. Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ireo polisy. Tra-tehaka niaraka taminy ihany koa ny lehilahy voalaza fa mpamporisika azy ireo. Samy nentina nihazo ny biraon’ny polisy avokoa moa izy ireo ho amin’ny fanadihadiana. Ireo tsy ampy taona kosa dia efa natolotra ny sampan-draharahan’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, ho amin’ny tohin’ny famotorana azy ireo.
m.L




