- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTetezana tapaka amin’ny “RIP – 07” : Hotokanana tsy ho ela ny...

Tetezana tapaka amin’ny “RIP – 07” : Hotokanana tsy ho ela ny fahavitany

Isany niteraka olana tamin’ny fitokana-monina ny tao Toamasina II indrindra amin’ny fotoan’ny fiakaran’ny rano sy ny andro ratsy, ny fahasimban’ny tetezana ao amin’ny lalam-paritany faha-07 (RIP 07), miainga eo Ivoloina mihazo an’i Sahambala – Ambodiriana – Mangabe. Raha ny fanazavana dia efa hatramin’ny taona 2002 ny fahatapahan’ny tetezana ao amin’ny Tanana Nosy be noho ny fisian’ny rano be noho ny rivo-doza. Heverina ho vitaina hatramin’ny faran’ny taona ny fanamboarana ilay tetezana mirefy 110m. Isany namboarina tamin’ny simenitra koa ny tetezana roa ao anatin’ity lalana ity alohan’ny tonga ao Nosy be, dia tetezana ao Ambalafary mirefy 20m sy ny tetezana ao Sahasandra mirefy 25m. ny fahavitan’ny tetezana ao Nosy be izany dia hotokanana avokoa ireo tetezana telo nasiam-panamboarana ireo ary nambaran’ny governora ny faritra Rafidison Richard Théodore, fa ny filoham-pirenena mihintsy no ho avy mandritra izany. Nomarihan’ny governora hatrany fa tao anatin’ny 20 taona teo dia tsy nisy nijery ireo tetezana nasiam-panamboarana amin’izao ireo, nefa tena ilain’ny vahoaka amin’ny fifandraisany sy ny fivezivezeny. Raha ny fanazavana ihany koa dia amin’ity fitokanana hatao ny faran’ny taona izao ity vao hisy filoham-pirenena tonga hitsidika izany kaominina Ambodiriana izany; ny filohan’ny faritany tamin’ny fotoan’androny Tpkl Tsizaraina Emile no hany nitsidika izany ny taona 1995, teo koa ny minisitra Rafidimanana Narson, ary dia izao indray vao nisy governora nitsidika Atoa Rafidison Richard Théodore ny sabotsy 27 aogositra 2022. Atoa Raym Ialy Mohamed no ben’ny Tanana ankehitriny, manana lefitra mianadahy ny ben’ny Tanana, manana mponina miisa 12.689 ny ao Ambodiriana mivelatra ao anatin’ny fokontany 09. Tsy manana trano fandraisam-bahiny ho an’ny tsy miankina ny ao amin’ny kaominina, ka nanangana tranom-bahiny tantanan’ny kaominina ny ben’ny Tanana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici