- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTetezan’i Andranontsara RN5 : Efa misy andian’olona mangalatra sahady ireo bilao aminy

Tetezan’i Andranontsara RN5 : Efa misy andian’olona mangalatra sahady ireo bilao aminy

Vao haingana no niharan’ny firodanana ilay tetezana ao Andranontsara, lalam-pirenena faha-05 mihazo an’i Fenerivo Atsinanana, ka nahatapaka ny lalam-pirenena fahadimy iny. Nanao ny ezaka faran’izay haingana ny ministeran’ny asa vaventy nanarina ny tetezana tamin’ny laoniny tamin’ny fametrahana tetezam-by vaovao taminy, ary vitan’izy ireo haingana izany. Tetezam-by vao nohafaran’ny fanjakana malagasy niaraka tamin’ny banky iraisam-pirenena no napetraka tao amin’ity tetezana tapaka ity. Ankehitriny anefa raha vita izany dia misy indray ireo andian’olona mangalatra ireo bilao vy mihazona ilay tetazam-by vao vita, ka mety hiteraka firodanany indray izany raha mitohy. Miezaka mijery ireo olona mahavita izao halatra izao ny ministeran’ny asa vaventy amin’ireo talem-paritra samy hafa, saingy tsy fantatra mihitsy ireo mpanao izany, heverina fa ireo mpitady sy mpividy ary mpamarotra vy ireo no tena tompo-marika amin’ity halatra bilao vy amin’ny tetezana ity. Ankoatra izany dia maro koa ireo tetezam-by na tetezam-bato no tsy misy intsony ny “garde fou” noho izay halatra vy ataon’ny olona izany, na ety an-tanan-dehibe aza. Nanamarika ireo tompon’andraikitra samihafa fa tsy maintsy hosaziana faran’izay henjana ireo mpanimba ny fananam-bahoaka ohatra an’izao, fa tsy azo leferina fotsiny. Samy miezaka manara-maso azy ireo na ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny na ireo mpampiasa ny lalana, fa ho loza indray no haterak’izao halatra bilao vy amin’ny tetezana izao raha mitohy, ka lasa ny olon-drehetra mpampiasa ny lalana no sahirana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici