Taorian’ny loza namoizana ny Talen’ny kabinetran’ny Fampianarana Ambony ny ainy, dia mitohy hatrany ny lozam-piarakodia eny amin’ny lalam-pirenena fahafito. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any, teo amin’ny tetezan’i Fatihita, dia niharan-doza ihany koa ny fiara tsy mataho-dàlana iray; izay voalaza fa an’ny distrikan’i Mahabo. Tsy fantatra mazava ny anton’ny loza, fa ny fiara nivadika teo amin’ny tetezana no nanaitra ny rehetra. Voalaza fa handeha hamonjy ny lanonana fametrahana ny filohan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa sy ireo “Doyen”-n’ny “Facultes” tsirairay izy ireo, izao niharan-doza izao. Naratra tamin’izany ny rehetra tao anatin’ilay fiara, anisan’izany ny “chef district” niaraka tamin’ny zaodahiny. Efa nentina namonjy ny hopitalin’Ambositra moa izy ireo nandray ny fitsaboana sahaza azy ireo. Niara-nisalahy tamin’ny fokonolona nanatri-maso ny loza, nanala an’ireo maratra rehetra tao anatin’ny fiara, ny “préfecture” any Ambositra sy DREN amoron’i Mania. Ilay mpamily an’ny CISCO Mahabo, fa nindramina hitondra azy ireo kosa, tsy avotra intsony. Ity farany izay marihina fa mpampianatra ihany koa. Nentina nody avy hatrany any an-tanindrazany any Mahabo Morondava moa ny razana.
Niony H.