- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTetezan’i Manakara Be : Tapaka tanteraka tsy azo ivezivezena intsony nanomboka ny...

Tetezan’i Manakara Be : Tapaka tanteraka tsy azo ivezivezena intsony nanomboka ny alatsinainy

Vokatry ny fitresahan’ny andrim-bato vaventy faharoa izay mitazona ny tetezana tsy hirodana hatramin’izay, taorian’ny fahasimbana nisy vokatry ny fandalovana kamiao nitondra entana mavesatra teo amboniny, ka nampihotsaka ny ampahana voalohany tamin’ity tetezana manan-tantara ity tao amin’ny reniranon’i Pangalana (raha avy ao an-tampon-tanànan’i Manakara ho eny Manakara Be), ny 12 septambra 2012, dia tapaka tanteraka tsy azo ivezivezena intsony nanomboka ny alatsinainy alina teo ny tetezana ao Manakara Be. Tsy nisy ny aina nafoy na olona naratra tamin’ity loza ity. Vokatr’izany, mijaly ny mponina tsy afaka mifamevizevy intsony, nefa eny Manakara Be no toerana misy ireo banky sy sampan-draharaham-panjakana maro ao Manakara, renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany, ka voatery mihodina sady lavitra any amin’ny seranan-tsambon’i Manakara teo aloha ny lalana miampita amin’ny alalan’ny “pont bâiller” amin’ny “canal de Pangalane”, kanefa mbola voafetra ihany ny lanjan’ny fiara afaka mandalo eo, hoy ny vaovao voaray.
Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici