Raha nanomboka ny 26 febroary lasa teo ny fanamboarana ny tetezanan’i Manakarabe izay tetezana mampifandray ny kaominina Ambonivohitr’i Manakara sy ny tanànan’i Manakarabe, dia fantatra ankehitriny, fa ny 30%-n’ny asa fanamboarana ataon’ny orinasa Colas no efa vita, ka isan’ireo asa fanarenana natao ny fanaovana ho « béton » ny fototra izay hiorina 10 metatra ambanin’ny reniranon’i Pangalana, ny lafika ambany ary ny fidirana eo amin’ity tetezana ity. Dingana faharoa kosa ny fametrahana tetezam-by eo ambonin’ny fototra, hoy ny tati-baovao. Raha tsiahivina dia ny 12 septembra 2012 no nihotsaka ny ampahany voalohany tamin’ity tetezana ity vokatry ny fandalovana fiara vaventy nitondra entana mavesatra diso tafahoatra teo amboniny. Ny 19 janoary 2016 kosa no nihotsaka ny ampahany faharoa. Vokatr’izany, nijaly ny mponina tsy afaka nifamevizevy intsony, nefa eny Manakarabe no toerana misy ireo banky sy sampan-draharaham-panjakana maro samihafa ao Manakara izay renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Voatery niampita lakana araka izany izy ireo na dia hatramin’ny mpianatra aza. Velom-bolo araka izany ireo mponina mahita ny fizotran’ny asa, satria dia na ny fiovan’ny endriky ny tanàna fotsiny aza dia hisy fiantraikany mivantana amin’ny lafiny sosialy sy toekaren’izy ireo ny fahavitan’izao fotodrafitrasa manan-tantara izao.
Eric Manitrisa