- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversTetezan’i Mangoro : Vehivavy maty voahosin’ny « camion »

Tetezan’i Mangoro : Vehivavy maty voahosin’ny « camion »

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tany amin’ny tetezan’i Mangoro omaly mariana be tokony ho tamin’ny 6 ora. Vokany, vehivavy iray no fantatra fa maty nohosen’ny « camion » voalaza fa tapaka « frein ». Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa potika tenteraka ilay olona. Omaly maraina, fiara roa no niala taty an-drenivohitra ho any Ambatondrazaka. Mpihavana ireo olona tao anatiny. Nandeha tsy nisy nanohintohina izy ireo teny an-dalana. Rehefa tonga teo amin’ny tetezan’i Mangoro anefa, nisy fiara be semi remorque nisosososo hiditra ny tetezana. Raha nahita izany ilay fiaram-pianakaviana teo aloha, niezaka nandeha mafy avy hatrany hivoaka ilay tetezana ary dia afaka soa aman-tsara. Ilay nanaraka avy aoriana kosa, tsy afaka ary notrongisin’ilay “camion” niverina. Olona dimy izy ireo no tao anatiny, ankizy telo tao ariana ary olona roa teo aloha. Noho ny fahatairana dia nitady lalana hivoahana ny fiara ilay vehivavy teo akaikin’ny mpamily. Nanao izay ho afany anefa ity farany nitazona azy tsy hivoaka fa tsy nahomby. Tetsy andaniny, tsy maintsy nitana ny familina izy mba tsy hilatsaka any anaty rano ny fiara. Farany, tafavoaka ihany ilay vehivavy. Tamin’izay fotoana izay indrindra no avy hatrany dia notetezin’ilay semi remorque izy ary maty tsy tra-drano. Fantatra izany vaovao izany, araka ny fitantaran’ny fianakaviana niresaka tamin’ny mpanao gazety. Rahampitso alahady no tsy maintsy hatao ny fandevenana an’ilay namoy ny ainy any Carion.

Io andro io ihany, nisy loza hafa koa niseho tamin’ny RN 2 iny. Fiara nitondra vavahady vy lehibe iray no nihitsoka raha hiditra tetezana. Naharitra ora iray ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary ireo mpampiasa iny lalana iny no nanampy tamin’ny fanalana an’ilay fiara nibahana. Efa miezaka manome ny toromarika hatrany ireo mpitandro filaminana manoloana an’ireo toerana matetika ahitana loza, saingy ny loza moa tsy mampilaza ary ny fitandremana ihany koa indraindray tsy ampy amin’ireo mpamily sasany.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser