- Publicité -
mardi, décembre 9, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTetezan’i Sofia -RN6 : Taxibe niharan-doza, olona 10 namoy ny ainy

Tetezan’i Sofia -RN6 : Taxibe niharan-doza, olona 10 namoy ny ainy

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’iny lalam-pirenena fahenina iny, omaly maraim-be. Taxi-brousse iray, hihazo an’Antsohihy no tafiala lalana ary latsaka tao ambanin’ny tetezan’i Sofia. Vokany, mpandeha miisa folo no namoy ny ainy ary maromaro ireo naratra.

Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no niseho ny loza, teo amin’ny tetezanan’i Sofia, kaominina Marovantaza, distrikan’Analalava, raha ny angom-baovao azo avy amin’ny namana avy any an-toerana. Fiara fitateram-bahoaka avy amin’ny kaoperativa Vofizabo, izay mampitohy an’i Mahajanga sy Antsohihy ity niharan-doza ity. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza fa ny azo antoka dia somary nandeha mafy izany fiara izany. Tamin’izay fotoana izay, na mety azon’ny torimaso fotsy ny mpamily na nisy olana nitranga tamin’ny fiara. Tamin’io fotoana io mantsy dia tsy voatanan’ny arofanin’ilay tetezana intsony ilay fiara ka io nivadibadika tany ambany io. Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina ilay fiara « sprinter ». Olona fito no maty teo no ho eo, izay tanora ny ankabeazany. Maromaro tamin’ireo mpandeha ihany koa naratra ka nisy ireo tena voa mafy. Taorian’ny loza, avy hatrany dia nidina ifotony ny tompon’andraikitra avy eo Port Berger, nanao ny famonjena sy ny fanampiana ireto niharan-doza. Nisy avy hatrany ny fitondràna ireo naratra nihazo ny tobim-pahasalamana tao Port Berger ihany omaly maraina. Indrisy moa, raha ny fantatra, fa nisy telo tamin’ireo tena voa mafy no namoy ny ainy, vao tonga tany, izay nampakatra ny isan’ireo namoy ny ainy ho 10. Mbola manohy ny fitsaboana kosa ireo naratra. Efa tonga tany an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity loza mahatsiravina.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici