
Isan’ny toerana hamantarana ny lazan’ny tanan’Antsiabe ny gara sy ny manodidina azy amin’ny alalan’ny hankatony sy firindran’ny zava boahary manodidiana azy. Toerana nilamina, eny fa ny fifamoivoizana azy dia mirindra aok’izany.
Taona maro anefa izay no lasa, tsy toy izy intsony ity toerana ity fa niova tanteraka. Zary lasa toeram-pialamboly fanaovana fety etsy sy eroa, feno mpivarotra, ny soavaly mangery eraky ny lalana, mamofona ny ara-be rehefa donana’ny hafanan’ny masoandro. Zary lasa fitobian’ireo tsy manan-kialofana ny tsangam-bato ary lasa toerana fanaovan’izy ireo maloto mihitsy, feno lamba miahy, misy koa ireo manadio fiara. Ampahany amin’ny zava-misy eny amin’ny manodidina ny gara sy ny araben’ny fahaleovan-tena izany.
Soa fa nisy aloha ny HIMO na “ Haute Intensité de Main d’Oeuvre” niarahana tamin’ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra sy ny sampandraharahan’ny mponina eto Vakinankaratra ary kaominina Antsirabe ambonivohitra, nafahana nanadio ny gara sy ny manodidina azy ka nampihena ireo loto sy fofona.
Fokontany miisa enina no nandray anjara tamin’ity HIMO fanadiovana ny gara ity. Fantatra fa misitraka tambin-karama vola sy vary amin’ny fitondram-panjakana ireo olona miasa.
Na eo aza ny ezaka sy fanadiovana atao isan’andro, raha tsy misy ny fepetra hentitra raisina ho fandrindrana ity toerana ity dia zava-poana ihany izany satria ny eo ihany no eo.
“Samy tompon’andraikitra ary tokony hanoy izany any amin’ny toerana misy azy ny isam-batan’olona fa tsy tokony iandrasana hetsika sy tambiny tahaka izao raha resaka fanadiovana” hoy Rtoa Ravaonirina Natahalie Sebastienne lehiben’ny faritra Vakinankaratra. Mbola hitohy any ami’ny distrika hafa ny HIMO.
Andry N.


