- Publicité -
mercredi, septembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversTetik’asa lalambe migodana : Halatra solika : Olona telo voasambotra tany Anjozorobe

Tetik’asa lalambe migodana : Halatra solika : Olona telo voasambotra tany Anjozorobe

Tsy kely lalana mihitsy ry zareo, ary tsy maintsy miketrika izay “bizina” ratsy azo atao hatrany vao misy zava-baovao … Efa ho herinandro vitsivitsy mantsy izay no tonga tany an-toerana, tany amin’iny faritra Mangamila Anjozorobe iny, ireo fiarabe mpanarina tany, hampiasaina amin’ilay tetikasa lalambe migodana. Tsy ela torak’izay ihany koa dia efa nahitana “ketrika” sahady ry zalahy : hangalatra solika ! Efa nahatratra teo amin’ny 48 “bidons jaune”, manodidina ny 960 litatra teo ho eo, no azon’ireto olona ireto nialohan’ny nahatratrarana azy ireo.

Raha ny fanazavana azo dia miisy telo mianadahy hatreto no voasambotry ny polisy tao Anjozorobe ary mbola misy ireo karohina, mpiray tsikombakomba amin’ireto olona ireto. Niainga tamin’ny fisafoana nataon’ireto polisy ireto tao Antanetibe Anjozorobe ny nahitana ity asa ratsy ity, ka nahatratrarana olona roa nampiahiahy ny faran’ny herinandro teo. Tratra niaraka tamin’ny daba telo feno solika izy ireo tamin’io fotoana io. Entana izay tsy voazavan’izy ireo ny fiaviany. Nogiazana avy hatrany ny entana ary nentina natao fanadihadiana izy ireo. Fantatra teo fa tena solika nangalarin’izy ireo tao amin’ny tobin’ireo mpiasa manao ity tetik’asan’ny Filoham-pirenena ity izany solika izany. Nisy avy hatrany famotorana ka nilazan’izy ireo fa mbola misy namany hafa. Vehivavy iray, izay vadin’ny iray tamin’ireto voasambotra ireto no nosamborina. Ity farany izay voarohirohy ho mpanangona sy mpitahiry ireo solika azo. Voalazan’ny fampitam-baovaon’ny polisy moa fa mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity halatra ity sy ny fikarohana ireo olona izay mpiray tendro amin’ny ratsy. Izy telo ireto kosa mbola notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana savaranonando atao amin’izy ireo mialoha ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici