- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversTetikasa Manitatra 2 : Tantsaha maherin’ny 15000  no hahazo tombony eto Vakinankaratra

Tetikasa Manitatra 2 : Tantsaha maherin’ny 15000  no hahazo tombony eto Vakinankaratra

Ny faritra vakinankatra no handray ny tetikasa MANITATRA  andiany faharoa raha toa ka tao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana no nanaovana ny andiany voalohany.  Maharitra telo taona ny faheretan’ny tetikasa ka ity andiany faharoa ity dia natao  ho fanatsarana fambolena maharitra sy ny fambolen-kazo izay hiarovana ny nofontany tsy ho kaohin’ny riaka. Kaominina folo ao amin’ny tapany andrefan’ny faritra vakinkaratra no hiasan’ny tetikasa ny ambiny kosa dia hatao any amin’ny tapany avaratra ny faritra araky ny fanazavana nomena. Anisan’ny tena himasoan’ny tetikasa MANITATRA 1-2 ny fambolena vary an-tanety izay hita tokoa fa efa maro ireo tantsaha no mirona amin’izany.  Firenena dimy aty afrika no hiasan’ny tetikasa MANITATRA ka isan’izany i Madagasikara. Araka izany dia ny faritra Vakinankatra no hanaovana ity tetikasa ity ka tantsaha miisa 15 000 no hahazo tombotsoa. Hazo maherin’ ny 15 000 000 kosa no ho voavoly ary hazo fihinam-boa hatramin’ny 50 000 no hotratrarina ao anatin’ny telo taona.  Marihina fa ny orinasa GSDM no angady nananana sy vy nahitana izao tetikasa izao, ary ny COMESA/ UE kosa no mpamatsy ara-bola ny tetikasa

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici