- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversTetikasa Papriz : Tanjona ny hamokatra masomboly 12000 taonina

Tetikasa Papriz : Tanjona ny hamokatra masomboly 12000 taonina

Ireo tompon’andraikitra, nandray anjara tamin’ity atrikasa ity.

Ao anatin’ny paikadim-pirenena momba ny masomboly, indrindra fa ny vary ary mba  hanatrarana ilay fahaleovan-tena ara-tsakafo, dia tanjona napetraky ny fanjakana tamin’ny alalan’ny Ministera ny fambolena sy fiompiana ny hamokatra masomboly voamarina, manodidina ny 12000 taonina eo ho eo hatramin’ny taona 2027, araka ny fanazavana nentin’Atoa Lovaniana Rakotondranaivo, Tale misahana ny famokarana zavamaniry eo anivon’ny ministera. « Hatreto anefa mbola tena lavitra tanteraka ny amin’izay vina izay ny famokarana masomboly eto amintsika, noho ny antony maro isan-karazany. Tsy maintsy napetraka araka izany ny drafitra hanatratrarana izany tanjona izany» hoy hatrany izy.  Nanditry ny roa andro, nisy ny fanantanterahana atrik’asa nataon’ny tetikasa Papriz, izay tohanan’ny fanjakana japoney amin’ny alalan’ny Jica, hitadiavam-bahaolana sy hamatrehana izay drafitr’asa izay, tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Nifarana omaly ity atrik’asa ity, izay nandraisan’ireo mpisehatra sy mpamokatra masomboly anjara, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony teo anivon’ny ministera, ny foibe fikarohana momba ny fambolena (Fofifa) ary notarihan’ireo manam-pahaizana manokana japoney avy amin’ny Jica.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici