- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTetikasa Rindra- Marolambo : Fanohanana sy fanamafisana ny fiaraha-mitantana ny...

Tetikasa Rindra- Marolambo : Fanohanana sy fanamafisana ny fiaraha-mitantana ny valanjavaboary Marolambo

Vokatry ny fahasimban’ny ala amin’ny alalan’ny doro tanety sy ny fitrandrahana ny ala  tsy ara-drariny, dia tsapa fa voakasika betsaka amin’izany ireo valanjavaboary sy ny faritra arovana, ka miha simba hatrany ny tontolo iainana izay antoky ny fahaveloman’ny zava-mananaina rehetra eto an-tany.

Arak’izany, dia nisy atrikasa nokarakarain’ny Madagascar National Parks, teto Ambositra ny farany teo, izay niarahana tamin’ireo vondron’olona eny ifotony, ka nandinihana manokana ny fanohanana sy fanamafisana ny fiaraha-mintantana ny valanjavaboary Marolambo.

Fantatra nandritr’izao fihaonana izao, fa  hampitomboina sy  hatsaraina hatrany ny famoronana ny tetikasa madinika ara-pambolena sy fiompiana ho an’ireo mponina manodidina ny valanjavaboary Marolambo iny. Izany, dia taorian’ny tomban’ezaka efa natao. Ny tanjona, dia ny  fanatsarana ny fiainan’ny mponina sy ho fiarovana ny valanjavaboary. Voakasik’izany ny fambolem-bary, ny fambolena tsaramaso, ny fiompiana gana, sns. Hisy ihany koa ny fanaraha-maso  an’ireo tetikasa madinika ireo, ataon ‘ireo tomponandraikitra isan-tokony any an-toerana. Hamafisana sy ho hatsaraina arak’izany  ny fiaraha-mitantana eny ifotony.

Andrasana arak’izany izay ho vokatr’izao tetikasa vatsian’ny vondrona eropeana izao, izay paikady heverina ho mahomby ho fiarovana ireo valanjavaboary ireny, ka andraisan’ireo vondron’olona eny ifotony anjara bebekokoa sy ho fiarovana ihany koa ny tombontsoa iombonana amin’ny alalan’ireo tetikasa madinika mahavelona.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici