- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversTetikasa « TAFARAY » : Nosokafana teto Toamasina

Tetikasa « TAFARAY » : Nosokafana teto Toamasina

Natomboka teto Toamasina ny fandaharanasa TAFARAY, na Tetikasa Ambina ho amin’ny Fahasalamana Iraisana. Niatrika izany teto ny minisitry ny fahasalamana malagasy. Ny tetikasa TAFARAY dia tetikasa fanomanana amin’ny fiatrehana ny valan’aretina mety hitranga, sy fanomezana hasina ny servisin’ny fahasalamana ifotony. Ho an’ny faritra 23 eto Madagasikara ary haharitra 04 taona ny faharetan’ny fandaharanasa. Ny tanjona amin’izy ity, hoy ny minisitry ny fahasalamana, dia fanamafisana ny fanomanana ny ady atao amin’ny valan’aretina mety hitranga, ny fahasalamam-bahoaka, ary fanatsarana ny servisy momba ny fahasalamana ifotony. Ny mahazo tombony amin’izany, araka ny fanazavana, dia ny vahoaka rehetra, ho an’ny vehivavy eo an-dalam-pamokarana ihany koa, ary hahazo ny fandrindram-piterahana. Eo koa ny zaza sy ny ankizy amin’ny fanaovam-bakisiny ireo latsaky ny 05 taona. Maro ny valiny andrasana amin’ity tetikasa TAFARAY ity. Isan’ireny ny fanaovam-bakisiny miady amin’ny kitrotro sy ireo aretina hafa, fanaovana fandridram-piterahana ho an’ny vevivavy rehetra, ary fanaraha-maso ny fahasalamam-bahoaka amin’ny trangan’ny valan’aretina. Ny tanjona mantsy dia “aina iray, tontolo iray”, satria ny “fahasalaman’ny olona, fahasalaman’ny tontolo, fahasalaman’ny biby” no atao laharam-pahamehana. Mandray anjara amin’ity tetakasa Tafaray ity ny minisiteran’ny fampianarana ambony, minisiteran’ny fiompiana sy fambolena, ny minisitera ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ary ny Banky iraisam-pirenena.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici