- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilSociétéVakinankaratra : Tetik’asa Titre vert, natao an-tsapaka ny fizaràna

Vakinankaratra : Tetik’asa Titre vert, natao an-tsapaka ny fizaràna

Natao antsapaka ny fizarana ireo tany hatolotra ireo tarora amin’ny alalan’ny tetikasa titre vert eto Vakinankaratra.

Tontosa tamin’ny Zoma faha 8 Desambara lasa teo , tao amin’ny efitrano malalaky ny CFFAMMA izany. Miisa 100 ireo tanora no misitraka ity tetikasa vert  andiany faharoa ity eto Vakinankaratra ka ao Amparihy distrika Faratsiho no misy ny tany hozaraina azy ireo ka samy mahazo 1Ha avoka.

Hifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ary jono ny seha-piharian’ireo tanora ireo satria fahavitan-tena ara tsakafo rahateo no isan’ny tanjona kinendrin’ity tetikasa vert ity.

Ny hirariana dia hody ventiny rano nantsakaina hoy ny Governoran’ny Faritra Vy Vato Rakotavao tamin’ny fandraisam-pitenenany. Nambarany fa raha sanatria tojo olana ireo tanora ireo dia efa misy ny teknisianina avy amin’ny departemanta ministerialy hamaha ny olona.

Marihina fa 68 mianadahy  amin’izy 100 no misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana ny ambiny 32 kosa nisafidy ny sehatry ny jono.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici