- Publicité -
mardi, décembre 30, 2025
AccueilFaits-DiversTezitra ny mpivaro-tena : Nahazo fahafahana vonjimaika i Jimmy

Tezitra ny mpivaro-tena : Nahazo fahafahana vonjimaika i Jimmy

Ny asabotsy, taorian’ny fihainoan’ny fampanoavana azy, dia nanapa-kevitra ny mpitsara ny nanome fahafahana vonjimaika an’I Jimmy. Io farany dia notorian’ny mpivaro-tena miisa 74 noho ny fampijaliana ara-batana ary fandrahonana amin’ny basy mba hanekena izay kasainy atao. Izay kasainy atao anefa dia firaisana any aoriana sy fanatsofohana karazan-javatra any…aoriana. Kivy ratsy ireo mpivaro-tena izay nanango-tsonia ka nanao fitoriana miaraka an’io lehilahy io. Fantatra fa mandalo eto an-tanindrazana fotsiny ihany izy ary ny asany dia mpitam-bola eo anivon’ny orinasa frantsay any Nice. Ny fitoriana azy indray, ankoatra izay voalaza etsy ambony, dia ny fitazomana basy tsy nahazoana alàlana ary koa ny tsy fananany fahazoan-dalàna mamily na “permis de conduire” kanefa izy dia mitondra fiara tamin’ny fotoana nisamboran’ny pôlisy azy. Mbola voatonona ao ihany koa ny fampiasany taratasin’olon-kafa mitovitovy aminy. Hatreto ny fijerevan’ireo mpitory marobe ity raharaha ity dia ny hoe tsy nasian’ny fitsaràna sira ny fitarainan’izy ireo. Loharanom-baovao akaiky ireo mpivaro-tena no namantarana fa miketrika hetsika izy ireo ato ho ato mba hanehoany ny tsy fankasitrahany izao famoahana vonjimaika an’I Jimmy izao. Ny alakamisy izao no hotsaraina ao amin’ny efitra voalohany ao Anosy ity raharaha ity ary manahy mafy ireo mpitory fa ho very an-jambany ny zon’izy ireo ary dia ho toa ny tsy nisy arak’izany ny fampijaliana ireo mpivaro-tena marobe…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici