Efa nandeha ihany ny fanentanana mahakasika ny tsy tokony hampiasàna jiro laser mba hitarafana ny habakabaka, indrindra rehefa misy fiaramanidina mandalo. Toa ny mifanohitra amin’izay anefa no mitranga ankehitriny, isaky ny misy fiaramanidina eny ambony eny dia betsaka ny mamoaka laser ary mitily izany. Nivoaka tamin’ny fahanginana ny mpanamory iray ary nalainy horonan-tsary ny fahasahirànan’izy ireo manamory ny roplanina rehefa misy mitifitra laser. Ary tena laser marobe tokoa, rehefa jerena ny sary, no indray miantefa amin’ny vatan’ny fiaramanidina. Toa ity tranga farany ity dia fiaramanidina vao avy niainga kelikely no indray tototry ny jiro. Niezaka ny tsy nijery ambany sisa ny mpanamory mba tsy haha-jambena azy. Manamafy ny fanentanana sy ny fangatahana amin’ny tompon’andraiki-panjakana ny mba hanasaziana ny handraràna ny fampiasa laser ny mpanamory fiaramanidina. Tena mety hitera-doza tokoa raha mahazo ny mason’izy ireo ny taratra mahery, indrindra eo amin’ny fiaingàna sy ny fiantsonana izay tena mila fitandremana mafy. Etsy ankilan’izay anefa, mitobaka etsy sy eroa ny laser amin’izay ankatoky ny fetim-pirenena izao. Afaka mividy sy mampiasa avokoa, eny fa hatramin’ny zazakely aza. Handrasàna hisy fiaramanidina hianjera ve vao hisy ny fandraràna sy fanasaziana ? Efa maherin’ny iray volana izay ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka eto amintsika no nisintona ny lakolosy fanairana fa mitera-doza ho an’ny fiaramanidina ny laser. Vao mainka anefa mahazo vahana izany amin’izao akaiky fety izao. Tokony hanova zavatra betsaka ny fizaran’ilay mpanamory ny sary azony teny ambony teny sy ny fiantraikan’izany amin’ny fanamoriana fiaramanidina.
D.R