Nohamarinin’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana ny raharaha momba ny heloka bevava (brigade criminelle) ny fisian’ny pôlisy roa izay nosamborina. Nampiany fa mbola nisy teratany indo-pakistanais iray ihany koa tao anatin’ny olona izay niray tendro tamin’ireo olon-dratsy. “Olona sivy no eo am-pelan-tanananay, nanokafana fanadihadiana ary hatolotra ny fampanoavana anio (cf omaly)” raha araka ny fanazavan’ny lehiben’io sampan-draharahan’ny pôlisy io. Entin’izy ireo hanaporofoana ihany koa fa tsy nisy ny kiantranoantrano tao anatin’ny fanadihadiana ireo mpanao heloka bevava. Naiditra “garde à vue” ireo pôlisy roa, nitovy ireo olona rehetra izay voarohirohy tamin’ity raharaha ity ihany. Omaly nandritry ny fizarana tamin’ny mpanao gazety ny zava-nisy no nanambaran’ny lehiben’ny brigade criminelle izany. Teo koa no nahafantarana fa teratany karàna iray no saika hataon’ireo jiolahy lasibatra tamin’ny fanafihana. Tsy izany ihany anefa satria mbola nisy ihany koa ny sinoa iray izay efa tao anatin’ny lisitry ny saika halaina an-keriny. Tsy tontosa avokoa izany rehefa azon’ny pôlisy mialoha ny vaovao mahakasika ilay fikasàna. Narahi-maso hatry ny elaela ireo jiolahy ary fantatra hatramin’ny fisian’ny fivoriana matetika izay hataon’ireo etsy Ampefiloha amin’ny fanomanana ny fanatontosana ny asaratsy. Tetsy Antanimena ary rehefa feno ny porofo tamin’ny tanjon’ireo olon-dratsy, dia nisy ny tifitra natao ka nahalavo ny iray ary namparatra mafy ny faharoa. Roa hafa azo sambo-belona teo. Samy nahatadidy an’izany avokoa ny olon’Antananarivo satria teo imason’ny olona marobe no nisehoan’ny fisamborana sy ny fatiolona. Nihodina faran’izay haingana tamin’ny tambajotra sosialy ihany koa ny sary hany ka vetivety dia nahafantatra ny zava-nitranga Antananarivo. Omaly no natolotra ny fampanoavana ireo olona sivy izay niray tsikombakomba tamin’ity fikasàna hanafika sy haka an-keriny ity. Raha ny fanamarihan’ny BC dia efa nigadra avokoa ny ankamaroan’ireo tamin’ny fanaovana heloka bevava hatrany.
D.R