- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTily eto Madagasikara : Faha-90 taona, tsangambato velona ho an’ny fikambanana

Tily eto Madagasikara : Faha-90 taona, tsangambato velona ho an’ny fikambanana

Any Ambatomanga no hanatanteraha’ny Tily Eto Madagasikara ny Lasy Jobily lehibe ivon’ny fankalazana ny faha-90 taona niorenany, izay nankalazaina nandritra ny taom-panabeazana 2013 – 2014. Ny 23 aogositra ka hatramin’ny 28 aogositra no hatao ny fihaonambe. Efa tamin’ny talata teo no nanomboka nisy niainga ny avy any amin’ny faritra niaviany ireo mpikambana hamonjy ity lasy ity. Amin’izao fotoana izao dia efa eny an-toerana ireo tompon’andraikitra mpikarakara manomana ny fotodrafitrasa sy ny toerana handraisana ireo mpilasy marobe ; izay hiparitaka amin’ny ala manodidina ny Faritr’ Ambatomangana, manomboka eny Alarobia, eo an-tampon-tanan’Ambatomanga ary hatreny Ambohijina.

Tsangambaton’ny fanabeazana. Hetsika maro samihafa no nokarakaraina isam-paritra sy niraisana teo anivon’ny nasionaly nandritra ny taom-pankalazana, ka ity lasy jobily nasionaly ity no fotoan-dehibe indrindra nandritra ny fotoam-pankalazana. Isaky ny 10 taona moa no manamarika ny tsingerin-taona niforonany toy izao ny Tily Eto Madagasikara ka ahafahan ‘ny rehetra mifamotoana amin’ny toerana iray amin’ny alàlan’ny lasy toy izao. Ankoatra ny maha-fotoana fihaonam-ben’ny mpikambana rehetra ity Lasy Jobily 90 taona ity dia Tsangambato velona hoan’ny fikambanana ireo rehetra tonga manatrika ity fotoana ity. Fotoana hifanakalozan’ny isam-paritra amin’ny fahaiza-manao ihany koa ny Lasy jobily.

Ny alahady 24 aogositra 2014 no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny lasy ary hifarana ny alakamisy 28 aogositra. Samy manana ny fandaharany efa nomaniny avy ny isaky ny sampana, araka ny sokajin-taonany fa ny mampiavaka ity lasy indray mitoraka ity dia ny fisian’ny fanofanana manokana ny mpilasy rehetra momba ny haitarika (leadership) mba hampitombo ny fanoloran-tenan’izy ireo amin’ny fitondrana fanovana ho amin’ny tsaratsara kokoa eny amin’ny fiarahamonina misy azy ireo. Ny teny filamatry ny fankalazana ny faha-90 taonan’ny Tily Eto Madagasikara dia hoe « Havan’ny olona rehetra ary mpirahalahy daholo ny Tily », ny teny faneva kosa dia hoe « Mifikira amin’ny tsara. : Rom 12.9d. Ny Faritany Tily Antananarivo no miandraikitra ny fampiantranoana ireo avy any amin’ny Faritra rehefa vita ny lasy alohan’ny hiverenan’izy ireo any amin’ny faritra niaviany.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser