- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTim boriborintany faharoa : Nanentana ny rehetra hiatrika fifidianana

Tim boriborintany faharoa : Nanentana ny rehetra hiatrika fifidianana

Nihaona teny amin’ny foiben’ny Tim boriborintany faharoa Ambohitsoa ireo mpitarika ny Distim sy ireo mpikatroka rehetra ny asabotsy Téo. Nahitana ny filoha sy ny filoha lefitra Distim, mpanolotsaina ny kaominina avy amin’ny antoko Tim. Nitondra fanazavana ny amin’ny antom-pisiany sy ny lalan-kodiavin’ny antoko amin’izao ankatoky ny fifidianana solombavam-bahoaka izao. Nanentana ny mpikatroka rehetra mba hanamarina ny lisi-pifidianana eny amin’ny fokontany. Misy fokontany 24 ao amin’ny boriborintany faharoa ary ny hanamarina izay lisi-pifidianana sy manentana ny rehetra handeha hifidy. Efa izay rahateo ny toro-marika avy amin’ny filoha Ravalomanana. Tanjona hoy ireto mpitarika ny hahazoan’ny antoko Tim ny toerana roa amin’ny solombavam-bahoaka, tsy ny eo amin’ny boriborintany faharoa ihany fa manerana ny boriborintany rehetra. Nisy koa ny fanazavana ny fanaphan-kevitry ny Tim amin’ny fiarahana amin’ny Firaisankina ho an’ny Malagasy, izay mitambatra amin’ny fiatrehana ny fifidianana solombavam-bahoaka sy ben’ny tanana. Manentana ny eny ifotony ny antoko izany mba hanohana sy handray anjara. « Antoko matanjaka ny Tim Ary vonona ny handray anjara sy ampandany ary manaraka ny toro-marika avy amin’ny Filoha Ravalomanana », hoy ny mpitarika ny Tim boriborintany faharoa.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici