Fiara lehibe iray avy any Toamasina, no fantatry ny mpitandro filaminana fa nitondra toaka gasy be dia be ho aty Andrenivohitra. Nahazo vaovao ry zareo momba izany koa dia natao ny vela-pandrika. Nandrasana teny Maharidaza ilay fiara tamin’ny 12 novambra teo. Tamin’ny 2 ora no nandalo. Nosakanana ary nosavaina rehefa vita ny fanadihadiana ny mpamily. Nilaza i Jean 34 taona fa, misy toaka voarara tokoa ao anaty kamiao ao. Mpitondra fotsiny ihany anefa izy, fa izany Donis izany no tompony. Nafenina tao ambany gony misy karbonetra ireo toaka ireo. Avy any Fandrana Toamasina no nakana azy ireo. Efa fanaon’i Jean ny mitondra toaka sahala izao. Izay anefa izy vao tratra. Tamin’ny fisavana no nahitana bidao 20 litatra 165 feno toaka, izany hoe mahatratra hatrany amin’ny 3 300 litatra izany.
Ny 12 novambra ihany dia nosamborin’ny polisy teny Ankorondrano ny tompony. Vehivavy antsoina hoe Kety. Tamin’ny famotorana natao azy dia nilaza mazava io olona io fa, azy tokoa ireo entana ieo. Vidiny 600 ariary ny litatra any Fandrana ary amidiny 1 800 ariary izany aty Andrenivohitra. Nilaza ihany koa izy fa efa ho 3 taona no nanaovany io asa io ary efa nisazy izy noho izany. Nariana tao amin’ny lakan-dranon’Andriantany ireo toaka gasy ireo rehefa avy namarinin’ny solontenan’ny fitsarana, polisy ary ny tompony.
Araka ny lalàna 20.0168; izay nasiana fanitsiana tamin’ny taona 2011 ao amin’ny « code général des Impôts » dia mandoa lamandy 100.000 Ariary izay tratra mivarotra taoka gasy latsaky ny 10 litatra ary 10.000 Ariary isaky ny litatra raha mihoatra izany. Omaly no natolotra ny Fampanohavana ireo tompony.
Nanginin’I r.s.