- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversToaka voarara : Olona 5 nahazo sazy mihantona 1 taona sy handoa...

Toaka voarara : Olona 5 nahazo sazy mihantona 1 taona sy handoa lamandy

Ny talata lasa teo no niakatra teny amin’ny fitsarana ny olona dimy voarohirohy tamin’ny fitondrana toaka gasy na toaka voarara mahatratra hatrany amin’ny 7 arivo litatra. Nivoaka ny didy ka dia nahazo sazy mihantona herintaona sy handoa lamandy arivo ariary isaky ny litatra izy ireo. Tamin’ny faha-7 martsa lasa teo no tratra tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny ireo toaka be dia be ireo. Olona telo no fantatra fa tompony. Ny polisy avy etsy Tsaralalàna no nahasarona ity zavatra ity. Nentina tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy ireo niaraka tamin’ny mpamily ny fiara nitondrana ny toaka sy ny mpanampy azy. Olona dimy araka izany no notazonina. Ny faha-10 martsa, niatrika ny mpitsara mpanao famotorana izy dimy ireo ary dia nalefa vonjimaika tany am-ponja. Araka ny efa voalaza, notsaraina ny talata teo ry zareo. Nanamafy ny solontenan’ny mpiandraiki-draharahan’ny hetra fa rehefa misy toaka voarara ohatra an’izao dia arivo ariary isaky ny litatra ny lamandy tsy maintsy aloa.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser