Manao andiana maro indray amin’izao fotoana izao ireo tovolahy vao herotrerony ao an-tampon-tanànan’i Faradofay. Izany dia taorian’ny fetim-pirenena . Tsy inona fa halatra madinidinika eny an-tsena sy eny amin’ny elakelan-trano. Matetika amin’ny fotoana ividianana entana ao an-tsena no anararaotan’izy ireo. Manodidina eo amin’ny 12 ka hatramin’ny 13 taona. Saika tovolahikely. Mandritra ny fotoana ifanosehan’ireo mpividy entana no anararaotan’izy ireo. Vao mahatazana na mahatsikaritra olona mitondra pôketra hanao bazary dia efa vononombonona amin’ny hety sy ny hareza ireto tovolahy kely. Tapahiny avy hatrany ny poketra dia entiny. Efa dila lavitra ireto ratsy loha kely vao taitra ny tompony. Vehivavy renim-pianankaviana am-polony no efa lasibatra tamin’izany. Ao ny very vola sy finday ary hatramin’ny kojakojan-taratasy maro. Vokatry ny fandaozan’ireo kolonga lahy ny sekoly no mahatonga azy ireo hanao fihetsika hafahafa toy izany. Eo koa ny tsy fisiana any an-tokantrano ka mahatonga azy ireo hamorona hevitra hafahafa eny anivon’ny fiaraha-monina. Tamin’ny fanahadihadiana natao no nahafantarana fa misy amin’ireo ray aman-dreny no maniraka azy ireo hanao fihetsika toy izany. Mahakasika ireo entana angalarina dia nanamafy ireo tanora kely nifampiresahana fa efa misy ny olona maka na amarontan’izy ireo ireo entana halatra. Tsy mahavahiny ny tomponandraikitra any an-toerana ny fisian’izany. Ilaina ny arofaninana mba tsy hitaran’ny fomba ratsy toy izany. Raha izany no hitohy, mety ho ratsy fiafara ny taranaka.
Rom Farady