Efa niezaka ny nanambatra ireo vatana notapatapahana nandritra ny fahitana ny fatin’ilay tovovavy tao Salazamay atsimo iny, ireo mpitsabo avy ao amin’ny BMH Toamasina mba hanamora ny famantaran’ireo izay mety ho havan’ilay tovovavy novonoina feno habibiana iny.
Araka ny vaovao azo avy eo anivon’ny polisy misahana ny raharaha, izay nohamafisin’ny tao amin’ny hopitaly ben’i Toamasina, dia tsy mbola nisy naka teo anivon’ny tranom-patin’ny hopitaly ny vatana mangatsiakany, na efa maromaro ihany ireo efa nijery azy. Ho an’ny mpitandro ny filaminana misahana ny fanadiadiana ny raharaha, dia nomarihan’izy ireo fa tsy misy ifandraisan’ny halatra taova na mpaka rà ity raharaha ity, ho azy ireo dia resaka valifaty na fialonana na resaka fahafantaran-javatra no mety anton’izao vono olona nahatsiravina izao. Efa misy rahateo ny vaovao voahangon’izy ireo, izay eo am-panadihadiana izany ireo mpitandro ny filaminana, ireo hamahana ny tsiambaratelon’ny tranga nisy.
Araka ny angom-baovao hatrany, dia tsy hita tamin’izao fotoana nahafaty ity tovovavy ity izao ihany koa ny vadiny. Hatreto tsy hay izay mety ifandraisany amin’izao vono olona feno habibiana izao, tsy fantatra na nisy namono tahaka am-badiny ihany koa izy ka eo am-pikarohana azy ny mpitandro ny filaminana.
Malala Didier