Tsy manaiky lembenana amin’ny firongatry ny fanendahana sy hala-botry amin’ireo an-katoky ny fetin’ny krismasy sy ny taom-baovao izao ireo mpitandro ny filaminana. Nohamafisin’izy ireo noho izany ny fanaraha-maso ireo mpiantsena amin’ireo tsena goavana enina eto Toamasina, sy ireo tranom-barotra samihafa ary ireo toerana be olona mifamoivoy amin’ny fitiavana ny mahasoa mikasika ny fety hatrehany. Nanomboka ny sabotsy teo, no mankaty izany dia mpanendaka sy mpangarom-paosy 18 no sarona ambodiomby ka ny 12 tamin’izany dia tratra tao amin’ny tsenan’Ambolomadinika avokoa, ny 2 tao amin’ny tsenan’Ankirihiry; nisy koa anefa ity tovolahy roa tratra ambodiomby teo am-pangalarana fanamafisam-peo mbola tao Ambolomadinika, ny iray teo am-pangalarana finday tao Mangarivotra, ary ny iray hafa tratra teo am-pamakiana fiaran’olona mijanona tao Anjoma. Samy tafaverina tamin’ny tompony avokoa ireo entana nangalarin’ireto tovolahy ireto, ary raha namoaka ny didiny ny fitsarana taorian’ny fiakaran’izy ireo fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana, izay efa mpiandry raharaha no manao ny asa hatramin’ny nidiran’ny fitsarana fialan-tsasatra, dia miandry fitsarana am-ponja izy ireo.
Malala Didier