Isan’ny nahabe resaka tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao ho ao izay, ilay resaka adin’ny samy teratany karàna, ka nisiana fifampikasihan-tanana hatrany anaty trano fivavahana mihitsy. Nisy ny fihaonan’ireo voakasikan’ity raharaha ity tamin’ny mpanao gazety omaly, ka nilazàn’izy ireo fa amin’ny 27 jona ho avy izao no hiakatra eny anivon’ny Fitsaràna ny raharaha. Marihana, hoy hatrany ireto olona ireto, izay nanana fianakaviana voatory tamin’ity raharaha, fa efa niakatra Fampanoavana ny raharaha ary nomena fahafahana vonjimaika ny havan’izy ireo, ary dia izao miandry ny fitsaràna izao indray. Ity havany ity, dia nambaran’izy ireo fa ao anatin’ny tsy fahasalamana tanteraka amin’izao fotoana izao. Raha tsorina, hoy ireto olona ireto, dia resaka fialonana sy fanaratsiana fotsiny ary tsy misy afa-tsy izay no antony mahatonga izao toe-javatra izao hitatra lavitra. « Efa resaka efa ela ity raharaha ity fa tsy tamin’io resaka fikasihan-tanana tany anaty trano fivavahana io akory. Naely ny feo mantsy fa mpibodo tanin’olona sy mpisetrasetra ity havanay ity. Raha ny marina anefa dia hatramin’izay no efa niharan’ny antsonjay ny havanay. Nanomboka tamina resaka tany tao Toamasina, izay nolazaina fa novidiana tsy ara-dalàna. Niakatra fitsaràna ny raharaha ary dia nandresy izahay. Izay midika fa tany ara-dalàna sy novidiana tamin’ny fomba mahitsy io tany io. Nalefa indray ny resaka tany tao Foulpointe, izay efa anay efa ho 25 taona. Ary dia mbola nahazo rariny ihany izahay. Taorian’izay dia nolazaina fa hoe mpihetraketraka sy mpanimba volin’olona izahay. Ny nifanohitra tamin’izay aza anefa no nisy satria dia rantsan-kazo nilatsaka tao anaty lalana ary nanelingelina ny fifamoivoizana ny notapahiny. Ary ny farany dia ity resaka fifampikasin-tanana tao anaty trano fivavahana ity. Efa hananika ny fitopolo taona ny havanay izay voarohirohy tamin’ity resaka ity ary marary, ka amin’ny fomba ahoana no ahafahany mamono olona tsotra izao ? ». Raha ny fanazavàna nomen’izy ireo dia nisy fandranitana tao ary ireo mpifanandrina no nikasi-tanana azy mialoha. Hatreto izany dia mbola mifamahofaho be ihany ny raharaha satria dia samy manana ny filazàny avokoa ny roa tonta. Ireo mpitory izay maninzingizina hatrany fa naratra ilay olona voavono, ary ny nahavita izay dia efa mpisetrasetra hatramin’izay. Dia ho hita eo ny tohiny, araka izany. Na izany aza anefa dia matoky tanteraka ny fahendren’ireo mpitsara ireto fianakaviana manana havana voatory ireto.
Nangonin’i m.L