- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina Ampasimazava : Niakatra an-tanàna ny zana-boay…

Toamasina Ampasimazava : Niakatra an-tanàna ny zana-boay…

Hatairana ny an’ireto mpandalo nihazo ity rano mihandrona noho ny orana avy foana eto Toamasina tao Ampasimazava ity ny alatsinainy misandratra andro; fa zana-boay velona be izao no manara-maso azy ireo mandroso sy miverina tao anatin’ilay rano mihandrona. Raiki-tahotra noho izany ireo mponina manodidina, satria matoa misy ny zanany dia tsy lavitra eo koa izay ny reniny, hoy izy ireo. Mpandalo no niangavian’ny mponina naka ity zana-boay tao anaty rano ity, zana-boay mirefy eo amin’ny 50 na 60sm eo, izay efa vory nify tanteraka. Omaly ihany dia efa betsaka no mihevitra ny hividy ity zana-boay ity tamin’ilay nahasambotra azy, saingy izy mpisambotra izao no tompon’ity zana-boay tao anaty rano mihandrona ity. Na izany aza dia betsaka ny resaka amin’ny fahitan’ny olona izao voay miakatra an-tanana izao; tao ireo nilaza fa loza sy antambo izany voay miakatra an-tanàna izany ka andrasana indray ny loza haterak’izany. Tao kosa ireo mieritreritra fa mbola misy reniny mandehandeha any ho any ka tsara karohina mba tsy hisian’ny loza. Nefa ny ankamaroan’ny olona nahita azy ity dia mihevitra fa zana-boay nompian’olona tsy lavitra an’Ampasimazava ity zana-boay tao anaty rano mihandrona ity; saingy noho ny fahabetsahan’ny orana avy tato ho aty dia tafatsoaka ny faritra nametrahana azy izy dia izao lasa izao…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici