- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Andian-jiolahy telo maty voatifitry ny “Fip” nanafika mpandraharaha lavanilina

Toamasina : Andian-jiolahy telo maty voatifitry ny “Fip” nanafika mpandraharaha lavanilina

“Efa nomena baiko entitra ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fisahanana ny filaminam-bahoaka” hoy ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille; nohamafisin’izy ireo koa izany ka nilazan’ny Rafaliarivo Jules fa raha miara-miasa tsara ny vahoaka sy ny polisy dia ho maro ny vokatra ary hisy ny filaminana eto Toamasina. Ny alatsinainy 04 jona teo tokony tamin’ny 07ora hariva izao dia mpandraharaha amin’ny fanondranana vokatra fanondrana lavanilina tao amin’ny fokontany Analakininina hopitaly be no notafihana andian-jiolahy telo nitondra basy. Nandritra ny fanafihan’izy ireo ity mpandraharaha ity dia ny roa tany anaty trano raha avy nianika fefy ka ny iray ihany no misaron-tava, ny iray kosa tety ivelany miandry izay ho mpanelingelina. “Aiza izany lavanilina ato aminareo izany?”, izay no fanontaniana nataon’ireto roa lahy tamin’ny tompon-trano izay sady voaambana basy. Tsy misy ny azo natao ireo tompon-trano ka namela malalaka ireto andian-jiolahy nitondra ny lavanilina 22kgs tao an-trano mitentina 35 tapitrisa ariary eo, raha nahazo ny nilainy koa ireo andian-jiolahy dia lasa nandositra. Tonga nijery ny zava-nisy tao amin’ity mpandraharaha ny FIP, ka nandritra izany no nahalalana fa manana mpanera mitady mpividy ny lavaniliny ity mpandraharaha ity, ary ny herinandro nivalona iny dia nisy olona nentiny tamin’ity “patron”-ny fa hoe mitady lavanilina, ka tonga dia tamin’ity olona ity avy hatrany ny haihain’ny polisy. Ny talata 05 jona dia tratra tao Mangarivotra ny iray, avy hatrany dia nanondro ny namany izay nokarohina tany Tsarakofafa Toamasina II. Vao nahita ny polisy ny FIP anefa izy roa lahy naman’ity efa tratra dia nitifitra avy hatrany ka saika maty tamin’izany ny kaomisera Rafaliarivo Jules, voatery namaly ny polisy ka maty voatifitra izy roa lahy. Tratra tao an-tranon’izy ireo ilay lavanilina 22kgs. Ilay jiolahy fahatelo maty voatifitra ihany koa raha nikasa ny hitsoaka. Nandritra ny fanadiadian’ny FIP no nahalalan’izy ireo fa ingahy “Freddo” ny iray tamin’ireto roa lahy voatifitra tao Tsarakofafa Toamasina suburbaine ity, jiolahy efa namono polisy sy efa nokarohina fatratra teto Toamasina noho ity resaka fanafihana mitam-basy ity ihany, saingy mitsoriaka ity jiolahy ity ka tsy mety sarona mihintsy. Ankoatra izany araka ny fanazavana hatrany dia mitovy tamina ambina bala avy nipoaka teo Ankirihiry izay nahafaty ilay raim-pianakaviana avy any Sahambana nikasa hividy entana ihany koa ny bala tratra tao anatin’ny basy nampiasan’izy ireto tamin’ny fotoana nahavoafitra azy ireo izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici