- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Ankizivavy kely 18 volana naolan’ny dadatoany

Toamasina : Ankizivavy kely 18 volana naolan’ny dadatoany

Ivontoerana faharoa natsangan’ny fanjakana taorian’ny tao Antananarivo, entina hitsaboana sy hiarovana ireo zaza iharan’ny herisetra isan-karazany, ny ivontoerana « Vonjy » manana ny foibeny ao amin’ny Hopitaly be Toamasina.

Dadatoa mpanolana. Raha noharina ny tamin’ny taona lasa, dia mbola vitsy ireo zaza noraisin’ny ivontoerana Vonjy Hopitaly be Toamasina tamin’ity taona ity, satria raha  87 izany ny taona nivalona iny, dia eo amin’ny 56 izany amin’izao volana novambra izao. Ny tena manaitra anefa, hoy ireo mpitsabo sy ireo mpisehatra ho an’ny ankizy ao amin’ity ivontoerana Vonjy ity, dia mihakely ny voaolana raisin’izy ireo an-tànana. Zaza 05 taona hatramin’ny 14 taona no tena iharan’ny herisetra fanolanana amin’izao, saingy tamin’ity taona ity dia nisy zazavavy 18 volana naolan’ny dadatoany nosahanin’ny ivontoerana. Efa eny amin’ny fitsarana ny raharaha, miandry ny fitsarana ady heloka be vava tsotra. Teo koa ny fanolanana nihatra tamin’ity zazalahy 12 taona; izay raha tonga teny amin’ny fitsarana dia vitavita ho azy noho ny  herin’ny vola, ka tsy hay ny tohin’ny raharaha hatramin’izao.

12 taona tsy maintsy hiteraka. Nomarihan’ny ivontoerana Vonjy ity ihany koa fa na aorian’ny fitrangany aza vao manatona ny ivontoerana ireo niharam-boina sy ny ray amn-drenin’izy ireo, dia amin’ny fotoan’ny karazam-pety no tena mahavoa ireo zaza, indrindra ny fanolanana mianjady aminy. Ny tena maro amin’izy ireny dia mandritra ny fetim-pirenena, ny fety ataona orinasa samy hafa, fetin’ny paska, ary ny fetin’ny maty. Saika olona tsy lavitra ilay zaza na ankizy ny mpanao ny heloka, satria fianakaviany akaiky, na namany tsy lavitra, na mpiara-mianatra aminy ihany no maro. Noho ireo antony ireo izao, dia zazavavy 15 taona roa sy zazavavy 12 taona iray no mitondra vohoka noho izay fanolanana nanjo azy izay; izay anaovana fanaraha-maso hentitra eo anivon’ny ivontoerana vonjy mba tsy hisy ny fanalan-jaza an-tsokosoko atao amin’ireo zazavavy bevohoka. Ankoatra ireo zazavavy bevohoka noho ny fetifety, dia isan’ny olana goavana izay mazana mampiditra aretina ho an’ny zazavavy voaolana ihany koa ny ataon’ireo andian-jiolahy mpamaky trano samihafa. Zazavavy telo 15 taona roa sy 14 taona iray izao no voan’ny areti-mifindra vokatr’izay fanolanana nanjo azy ireo nataona andian-jiolahy izany teto Toamasina. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza izany avokoa ireo zazavavy voaolana ireo izao, ka tsy misy atahorana ny fahasalamany sy ny ho aviny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici