- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Ankizy mpianatra 40 mahery nihetsika ambalavelona

Toamasina : Ankizy mpianatra 40 mahery nihetsika ambalavelona

Andiana mpiandry am-polony maro tonga « niasa» tamin’ireo ankizy voan’ny ambalavelona.

Omaly, nahatratra hatrany amin’ny telopolo tany ho any ireo ankizy, mpianatra tao amin’ny CEG iray tao an-tampon-tananan’i Toamasina, no nihetsika ambalavelona. Efa nisy tranga 11 anefa, talohan’izay, tao amin’io sekoly io ihany, ny alarobia teo, araka ny tatitra azo avy amin’ny zandary avy any an-toerana.

Nahazendana sy nampivarahontsana ireo ray amandrenin’ny mpianatra maro tokoa ity zava-nitranga tao amin’ity CEG Radama ity. Tsy roniny, tsy ventiny teo mantsy dia nanomboka nihikiakiaka ireo mpianatra, izay saika ankizivavy manodidina ny 10 ka hatramin’ny 13 taona teo ho eo. Mihijinjitra ary mitomany mafy nony avy eo. Toa ireny areti-mifindra ireny fa vao voa ny iray dia manaraka azy ireo avokoa ny hafa. Misy ny milaza fa mahita « kalanoro » izy ireo na olona lavavolobe mampitahotra, mandritra izany aretina mahazo azy ireo izany. Ireo mpianatra avy ao amin’ny kilasy fahadimy sy fahenina moa no voalaza fa tena betsaka amin’ireto ankizy mihetsika ambalavelona ireto.

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny farim-piadidiam-pampianarana avy ao Toamasina, rehefa nanao ny fanadihadiana izy ireo dia voalaza fa  «nisy nanao maloto tao anaty rano izy ireo tamin’ny fivoahana nataon’izy ireo tany amin’ny « Parc Ivoloina » tamin’ny Sabotsy lasa teo ». Antony, araka ny fiheveran’izy ireo, ho nahatonga izao zavatra hafahafa nahazo ireto ankizy ireto izao.

Tamin’io fotoana niandohan’io tranga io ihany moa, ny alarobia teo dia efa nisy ny fandraisana an-tanana ireo ankizy narary nataon’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana. Efa nampanantsoina ihany koa ny ray aman-drenin’izy ireo. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitandro filaminana, ny zandary sy ny pôlisy, niezaka nanao ny fandaminana. Nandritra izay fotoana izay moa dia efa nandefasana mpiandry tao an-toerana « mba hivavaka sy handroaka devoly », hoy ny vaovao, tamin’ny vao nanomboka niseho ity tranga ity ary nitohy hatramin’ny omaly. Fantatra fa noravaina daholo ihany koa mpianatra rehetra ary tsy misy miverina an-tsekoly izy ireo raha tsy amin’ny alatsinainy ho avy izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici