Tahaka ny mpianatra manerana ny nosy dia omaly ihany koa no niverina an-tsekoly ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana sy ny sekoly tsy miankina teto Toamasina, taorian’ny vakansin’ny pesta nataon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Raha ho an’i Toamasina izao dia olona roa no hany sisa tsaboina eo anivon’ny hopitaly misahana ny pesta (PPH). Tamin’ny andro voalohany omaly dia saika ny fanazavana ny fepetra noraisin’ny sekoly noho ny valan’aretina pesta no nataon’ireo sekoly rehetra, satria araka ny baikon’ny minisitera dia napetraka isaky ny sekoly ny toerana manokana fandraisana ireo mpianatra mety mampiahiahy ara-pahasalamana sy ny komitin-tsekoly misahana izany ary ny fihetsika aseho an’ireo mpianatra raha sendra misy ny pesta. Nandritra io andro voalohany omaly io dia saika ny antsasa-manilan’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana, indrindra fa ny amin’ny sekoly ambaratonga fototra, ihany no tonga niatrika ny fidirana. Ny antony, raha ny fanazavana azo, dia noho olana teo amin’ny tsy fahaloavan’ireo ray aman-dreny ny saram-pidiran’ ny zanany. “Kits Scolaires”. Nohararaotin’ny minisitra Ndahimananjara Johannita, ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, ny lehiben’ny faritra atsinanana Talata Michel, ary ny depioten’i Toamasina, Famindra Justin, ihany koa ny nanolotra ireo “Kits Scolaires” ho an’ireo mpianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra Analamboanio Cisco Toamasina I tamin’ny anaran’ny filoham-pirenena sy Ramatoa vadiny. Mpianatra niisa 484 no notolorana azy ireto ho famaliana ny fangatahan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny talen’ny sekoly tamin’ny fanjakana, saingy tamin’ny andro omaly nanolorana ny fitaovam-pianarana dia tsy nisy afa-tsy ny 1/3 ny mpianatra ihany no tonga noho ny olana tamin’ny fandoavan’ny ray aman-dren’izy ireo ny saram-pidiran’ny zanany. Isan’ny sekolim-panjakana mahantra ity EPP Analamboanio ity satria na ny jiro aza tsy misy fa notapahan’ny jirama noho ny tsy fahaloavan’izy ireo ny saran’ny herinaratra, mbola mpaompy tany koa no ampiasana amin’ny rano. Mpampiantra 7 amin’ny 10 kosa no mbola karamain’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (FRAM), raha 6 no “Contractuelles” sy 5 no mpiasam-panjakana.
Malala Didier