- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Artista saika voakapan’ny sabatra

Toamasina : Artista saika voakapan’ny sabatra

Divi-janahary no tsy nahafaty ity mpanakanto antsoina hoe Tsilavina. Nisy andian-jiolahy nanendaka izy ary iretsy voalohany dia tsy nisalasala nampiasa ilay zava-maranitra (sabatra) teny amin’izy ireo. Tsy vitan’izany fa ny lohany avy hatrany no nokendrena, izany hoe tena vonona ny hamono ny tanjona. Soa anefa fa mba nahay niala an’izany i Tsilavina ka mba afa-doza nandritra ity asan-jiolahy teo amin’ny fokontany Morarano, afak’omaly alina manodidina ny amin’ny 9 ora alina. Na izany aza anefa dia lasa ny finday fampiasany. Mampikaikaika ny maro ny asaratsy fanendahana ao an-drenivohitr’i Toamasina. Efa betsaka ihany izay voasambotra na lavon’ny mpitandro ny filaminana izay saingy mbola misy koa ny mipoitra. Isan’ny toerana iparitahan’ny « rôrô » koa ao an-toerana ary mety misy ifandraisany amin’izany ny mampivarina ny tanora sasany any amin’ny asan-jiolahy. Ho avy ity ny fialan-tsasatra ary ny toe-javatra toy izao dia lasa mampiferina aina ny olona ka mila alamina haingana. Iaraha-mahalala fa i Toamasina no isan’ny be mpivahiny indrindra rehefa tonga ny fialan-tsasatra eto amintsika.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici