Nifandroritany tamin’ny roa lahy ny kitapo. Samy nitondra fitaovam-piadiana izy roa lahy nanafika ireo. Tsy nisy nisaron-tava, saingy nanao akanjo fiaro fohy tanana. Lasan’izy ireo niaraka amin’ny sakaosy ny vola 52 tapitrisa Ariary. Vao avy nivoaka ny fiara nitondra azy izy izao tratran’ny fanafihana izao. Teo anoloan’ny varavaram-pitaratra hiditra indrindra ny efitrano malalaky ny lapan’ny tanàna no nisehoan’izany. Maty noho ny fiarovana ny volan’ny mpiara-miasa aminy. Izay no nanjo an’i Davidson Gibert Ernest, ny antoandron’ny alakamisy teo. Tompon’andraikitra amin’ny fandoavana ireo karama, raisina lela vola, ao amin’ny fiadidiana ny lapan’ny tanànan’i Toamasina izy. Namoizany ny ainy ny bala roa teo amin’ny lohany. Nahavotsotra ny kitapo nisy vola teny aminy ny fahaverezandra tamin’ny tenany. Avy naka ny vola karaman’ireo mpiasa raikitra ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’i Toamasina izy izao nisy nitifitra izao. Nantsoin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny trésor izy ny marainan’io andro io. Efa vonona araka ny fantatra ny vola karaman’ireo mpiasa raikitra. Tsy azo anefa io raha tsy izy ihany no maka azy. Niangavy ireo mpiara-miasa aminy mba hanatitra azy izy. Iray fiara izy telo lahy haka ny vola, izay nahitana ny D.A.F. (tompon’andraikitry ny fitantanana sy ny fikirakirambola) ary olona iray hafa. Efa fanaon’izy ireo ny maka fepetra toy izao isaky ny handeha haka vola. Tsy mifanalavitra rahateo ny toerana misy ny lapan’ny tanàna sy ny trésor. Nisavoritaka tanteraka ny teo amin’ny lapan’ny tanànan’i Toamasina. Tao ireo nihevitra fa ireo haingon-trano napetraky ny fianakaviana karana ireo nipoaka. Nampihaingo manokana ny lapan’ny tanàna ity fianakaviana ity mba handrasaina ny fanambadian’ny zanak’izy ireo. Ireo mpikambana ao amin’ny Rotary club dia voatery namonjy fodiana noho ny trangan-javatra. Nitazam-potsiny ireo mpitsangantsagana nialoka orana. Ireo nifanojo maso tamin’ny zavatra nitranga kosa dia nahafantatra fa basy ireo nipoaka. Mbola nanapoaka basy rahateo ireo jiolahy hampitsoahana ireo fianakaviana marobe teny an-toerana. Roa lahy eny ambony moto no efa niandry ireo mpanafika. Tsy hita izay nanjavonan’izy ireo.
Jean – Claude STEVE