- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Bandy mpanolana sipa voasambotra

Toamasina : Bandy mpanolana sipa voasambotra

Iray tamin’ireo bandy fito nikasa hanolana vehivavy 32 taona teo akaikin’ny Epp ao amin’ny Cité Valpinson any Toamasina no voasambotry ny mpitandro filaminana afak’omaly alina. Teo am-pikasana hanolana an’ilay renim-pianakaviana ireto olon-dratsy no tonga tampoka ny polisin’ny FIP taorian’ny antso nataona mpiambina iray niasa alina tsy lavitra teo. Nahita ny bebaoty nanao be fiavy ny namany Ratsimbazafy Sylvain dia tafatsoaka. I Sylvain anefa amin’io mbola somotroka teo am-panesorana ny pataloany ka noraisim-potsiny. Soa ihany fa mbola tsy voaolana ity taranaky Eva ity no tonga ara-potoana ny FIP, fa raha tsy izany dia saika zavadoza indray no nitranga tany an-drenivohitry Betsimitsaraka.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser