Raha ny fanazavan’ny kaomisera misahana ny sampan’ny polisy miadidy ny heloka be vava sy ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona Toamasina dia nitrangana fifamonoana mpirafy tao Bazary kely Toamasina ny takarivan’ny alatsinainy 21 novambra teo. I Totofotsy Soatiana 21 taona no maty noho ny daroka nahazo azy tamin’izany vokatry ny ady tovovavy teo aminy sy i R. J. Ity farany, raha ny fanazavana, dia sakaizan’ilay tovovavy niaraka tamin’i Totofotsy. Tsy zakany ny fahitana izany ka niafara tamin’izao vono olona izao, izay niarahany tamin’ny namany telo lahy efa samy vonona tamin’ny antsy sy vatan-kazo. Nambenany mihitsy ny fandalovan’i Totofotsy tao Bazary kely, ka vao hitan’izy ireo sy nandeha ny baiko avy tamin’i R.J. dia raikitra avy hatrany daroka hazo sy ny trindrona antsy, ka maty tsy tra-drano i Totofotsy tamin’izay. Ny 25 novambra avy nandevina anefa vao nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ity tovolahy maty ity. Nanomboka teo ny fikarohana ireo namono ary tratra nony farany sady niaiky ny heloka nataony avokoa izy efa-dahy. Miandry fitsarana any am-ponja avy hatrany izy efa-dahy rehefa niakatra fitsarana omaly tolakandro.
Malala Didier