- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Ben’ny tanàna teo aloha efatra niakatra fitsaràna

Toamasina : Ben’ny tanàna teo aloha efatra niakatra fitsaràna

Omaly no nandeha ny raharaham-pitsaràna teo anivon’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) na koa fitsaràna misahana ny raharaha miady amin’ny kolikoly. Ben’ny tanàna teo aloha izay nitantàna an’i Toamasina ny roa. Ny roa hafa kosa dia PDS (Président de la Délégation Spéciale), izany hoe voatendry nitantana ny tanànan’i Toamasina koa, teo aloha. Nipetraka tsara teo anivon’ny efitrano fitsaràna ny anaran’i Laurent Ratsiraka Elysée, Razafimanana Jean Christin, Rakotomanana Gervais ary Laurent Jean Maurice. Samihafa ny vesatra anenjehana azy ireo saingy mahakasika raharaha momba ny kolikoly avokoa izany. Ao ny fanamparam-pahefana, ny fandraisana kolikoly (corruption passive), ny fanaovana kolikoly (corruption passive) ary ny fahazoana tombontsoa tamin’ny fanamparam-pahefana (bénéfice par l’abus de fonction). Ireo vesatra ireo dia voafehin’ny fehezan-dalàna famaizana avokoa. Mahakasika fikasihana ny tanin’ny kaominina Toamasina izany rehetra izany tany amin’ny vanim-potoana tany aloha tany. Tsy mbola lany anefa ny fe-potoana ahazoana mitsàra ny raharaha (prescription judiciaire) ary dia io nisokatra io ny fanadihadiana savaranonando ka niakatra teo anivon’ny PAC mba hotsaraina ny voakasika rehetra amin’ny fitoriana izay nipetraka. Mitodika any amin’ity raharaha ity indray ny sain’i Toamasina satria olona izay voafidy sy voatendry ny nitantana avokoa ireo nisy nitory ary notsaraina. Olona iray ny mpitory ary roa kosa ny vavolombelona.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. MANGATAKA IZAHAY VAHOAKAN’I TOAMASINA, MBA AVERINA DAHOLO IRENY FARITRA MAITSO MALALAKA IRENY (ESPACE VERT), ARODANA NY TRANO IZAY MIORINA AMIN’NY TOERANA TSY TOKONY HIORENANY? ATAO LALINA NY FANDIHADIANA;

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici