- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : « Composé » : mpianatra efatra narary

Toamasina : « Composé » : mpianatra efatra narary

Mbola tanora, 15 taona ny zandriny indrindra ary 21 taona ny lehibe indrindra. Nihinana « composé » teo amin’ny mpivarotra iray eo amin’ny làlana Augagneur ireto mpianatra talohan’ny hiverenana hianatra ny tolakandro.  Adiny roa taorian’izay anefa dia samy nanomboka nalemilemy avokoa ary voatery nentina haingana teny amin’ny hopitalibe tao an-toerana. Omaly dia efa afaka namonjy fodiana ny efatra raha mbola notazomin’ny hopitaly mba harahi-maso ny ambiny. Vetivety dia niely tamin’ny tambajotran-tserasera ity tranga ity ary nanetsika ny tompon’andraikitra sasany tao an-toerana mba hijery akaiky ny raharaha. Inona indray izany no niteraka ity fahapozinana ara-tsakafo ity ? Ny menaka nampiasaina ve sa ny « hors d’œuvre » sa antony hafa ? Mihodidina eo ny fanadihadiana tokony handeha satria misy fiantraikany amin’ny sain’ny vahoaka hatrany noho ny fitaintainana ny zava-misy toa izao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici