- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina – Delestazy : Lehilahy iray maty nodarohan’ny mpitandro ny filaminana

Toamasina – Delestazy : Lehilahy iray maty nodarohan’ny mpitandro ny filaminana

Ny alin’ny zoma 2 janoary hifoha 3 janoary teo, lehilahy iray indray no fantatra fa maty noho ny daroka nahazo azy. Araka ny filazan’ny fianakaviany, dia mpitandro ny filaminana no nanao izany zavatra izany. Eo anatrehan’izany, tsy hanaiky mora foana ry zareo. Omaly alahady, nanao fanambarana izy ireo teny amin’ny tranony Tanambao II P/elle 31/14, mangataka amin’ny fanjakana ny hamoahana ny marina tamin’ny fomba nahafaty ny havany. Io alina io, niharan’ny daroka vody basy, daka ary fampijaliana hafa Andriantsalama Mamisoa Daniel, 42 taona, hoy ireo fianakaviany. Rehefa naratra mafy vao naterina tany amin’ny hopitaly. Tsy noraisin’ny tany intsony anefa, satria voalaza fa efa miala aina. Ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 4 ora no namoy ny ainy ity olona ity. Rehefa fantatra izany fahafatesana izany, nanana ny filazany koa ny avy amin’ny mpitandro ny filaminana, izay niteny fa tsy ny daroka natao an’ilay lehilahy no nitarika ny fahafatesany fa resaka fahamamoana be loatra. Mamisoa dia mpanao gazety teo aloha tao amin’ny RTA Toamasina. Filohan’ny ligy Atsinanana amin’ny Tsipy kanety be. Ireo mpiara-nilalao taminy tao amin’io taranja io dia nanana ny filazany ihany koa ary nanamafy fa tsy mpidoroka sady tsy mamo lava izany Mamisoa.

Ny alin’ny 2 janoary, voasambotry ny mpitandro filaminana ity lehilahy namoy ny ainy ity. Voalaza fa anisan’ny nanao fihetsiketsehana nanohitra ny delestazy izy. Nisy tamin’izany fotoana izany ny fandorana kodiarana teny an-dalambe ka anisan’ny antony nisamborana ilay lehilahy izany.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser