- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Dépôt Analakininina – Mangarano : Mpamaky trano sy mpanendaka efa-dahy...

Toamasina : Dépôt Analakininina – Mangarano : Mpamaky trano sy mpanendaka efa-dahy saron’ny polisy

Mitohy hatrany ny ezaky ny mpitandro ny filaminana eto Toamasina araka ny baiko azon’izy ireo avy avy amin’ny lehibeny, amin’ny fametrahana ny filaminam-bahoaka isam-pokontany. Samy manana ny fomba entiny miasa avy izy ireo arakaraka ny iraka ampanaovina azy ireny.

Ho an’ny polisim-pirenena dia misy ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fahatrarana ireo mpamaky trano sy mpanendaka, amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo andrimasom-pokonolona isam-pokontany. Vokatr’izay dia tratran’izy ireo tao Depot Analakininina ireto mpamaky trano telo lahy, izay mbola niaraka tamin’ny fitaovana nampiasainy sy ny saron-tava nataon’izy ireo, ny sabotsy alina nifoha ny alahady teo. Manodidina ny 20 taona hatramin’ny 23 taona izy ireto, izay niaraka tamin’ny entana halatra azony tahaka ny moto miisa telo, sy ny kojakojan-tokantrano samihafa ihany koa. Efa-dahy izy ireto no nanao izao famakiana trano izao, saingy tamin’ny fisamborana nataon’ny polisy dia ny telo lahy no tratra fa tafaporitsaka kosa ny iray. Ankilan’ireo dia mpanendaka iray mbola niaraka tamin’ny antsy lava fitondrany, izay mbola nahitana soritra ra taminy, no tratran’ny polisy ihany koa tao Mangarano nandritra ny fisafoana alina nataon’izy ireo ny lalam-pasika ny alahady alina teo.

Efa maro ihany izay voasambotry ny mpitandro ny filaminana amin’ireo mpamaky trano sy mpanendaka izay teto Toamasina. Misy amin’izy ireny no niharan’ny fitsaram-bahoaka ka ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana no tsy nahafaty azy ireo, nefa misy hatrany ireo andiany mbola manao ity asan-jiolahy ity, misy ihany koa ireo mpamerin-keloka aorian’ny fivoahana ny fonja.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici