Fotoana fanararaotana ho an’ny andian-johilahy sasany ny fahatapahan-jiro nitranga teto Toamasina ny alatsinainy teo iny. Andian-jiolahy dimy be izao, nanao saron-tava, no nanafika tokantrano iray tao Tanamakoa P/elle 12/11. Raha ny fanazavan’ireo tratran’izany dia roa ireo jiolahy niditra ny trano, fa ny telo kosa niandry ireo manodidina nandritra izany teny ivelany. Vao tafiditra ny trano izy ireo raha avy namaky ny varavara dia ny vola sy ny basy tao an-trano no nanontanian’izy roa lahy. Nilaza ho tsy manana izany moa ireto fianakaviana tao an-trano, ka lasan’ireto jiolahy ny entana sarobidy rehetra tao an-trano nandritra izany. Nihevitra mantsy ireto andian-jiolahy fa tranon’ny mpiasa tamin’ny haino aman-jery ity novakiany ity nandratra izany. Nandritra ny famakiana ilay trano dia nitalaho tamin’ireto andian-jiolahy ireo vehivavy tao an-trano ny tsy hidarohana azy ireo ary ny tsy hanolanana ireo vehivavy tao an-trano, nefa mbola nisy tamin’ireo jiolahy nisisika hanao izany, saingy tsy nahavita izany nony farany. Raha nahazo ny nalainy ireto jiolahy dia lasa izy dimy lahy. Teo vao nisento ireo tao an-trano, satria sady tsy naratra na maty izy ireo no tsy nisy voaolana ihany ireo vehivavy. Tena mitera-doza ity fahatapahan-jiro ataon’ny jirama tsy misy fampilazana lava ity, hoy ireo fokonolona. Manginy ihany koa ireo mpitandro filaminana tsy mandalo amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka isam-pokontany.
Malala Didier