Taorian’ny fanadihadiana ny raharaha teo anivon’ny polisy misahana ny heloka be vava, sy ny niakaran’ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana; izay nampiditra ireo telo lahy hany mbola tratra, tamin’ilay raharaha fanolanana nitambabe nitranga tao anaty biraom-panjakana Salazamay atsimo, dia fantatra izao araka ny fanazavan’ny havany fa lasa narary saina ka voatery tsaboina eo anivon’ny hopitalin’ny marary saina ao Toamasina, ilay tovovavy 22 taona niharan’ity fanolanana tovolahy efatra ity.
Raha ny fanazavana azo, dia nahitana zava-mahadomelina ilay ranon-javatra nandemena ilay tovovavy nandritra ny fotoana nanolanana azy. Nandritra ny fotoana nanaovana fanadihadiana azy teo anivon’ny mpitandro ny filaminana sy teo anivon’ny fampanoavana tao Toamasina, dia efa hitan’ireo havany taratra ny fisian’io aretin-tsainy vokatry ny zava-mahadomelina noterana nosotroiny io, saingy vao mainka nihamafy izany raha niaraka tamin’ny tsy fahasalamany tamin’ny fanolanana nitambabe nahazo azy, ka izao niteraka fahavoazana lalina amin’ny sainy izao no niafarany.
Ankilan’izay, araka ny fanazavana nangonina ihany koa, dia niteraka fahasimbana lalina ao anatin’ny fitaovam-pananahan’ilay tovovavy sy ny fitombenany ny fanolanana nitambabe nahazo azy. Ny fanazavana io ihany no nahafantarana na teo aza ny fitsaboana efa natao an’ity tovovavy 22 taona ity, dia ahitana fivoahana tsiranoka ny fitaovam-pananahany sy ny fitombenany ankehitriny, izay vokatry ny faharovitana tao anatiny sy izay mety gafy nataon’ireto tovolahy mpanolana taminy ihany koa. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo, dia tsy maintsy haharitra ny fitsaboana ny fahavoazana.
Hatreto anefa dia mbola miriorio eran’ny tanana ilay tovolahy antsoina hoe Vicky faha-4 tao anatin’ilay fanolanana; nefa araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana sy ny fampanoavana nikirakira ny antontan-taratasin’ady, dia mbola misy tovolahy faha-5 hafa koa ifampitadiavana amin’izao raharaha fanolanana nitambabe tamin’ny alalan’ny “facebook” izao.
Malala Didier