- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina - “Facebook” : Tovovavy 22 taona voajono niharan’ny fanolanana tambabe

Toamasina – “Facebook” : Tovovavy 22 taona voajono niharan’ny fanolanana tambabe

VIOLTranga tsy dia fahita tao Toamasina nefa manomboka mahazo vahana tao ho ao indray ny fanjonoana “sipa” amin’ny tambajotran-tserasera “facebook” entina hanaovana fanolanana tambabe.

“Sipa” 22 taona voajono. Ny zoma teo tao anatin’ny “vendredi joli” dia sipa iray 22 taona no voajon’ireo tovolahy mpanao ity fomba mamoehitra ity tao anatin’ny “facebook”. Ny iray tamin’izy ireo, antsoina hoe “Rico” 26 taona, no mpikaonty ilay tovovavy sy manome fotoana azy, ka tao amin’ny trano fisotroana “Smile” tao Salazamay akaikin’ny “cite” ny paositra Malagasy no fotoana, ary efa niandry niaraka taminy tao ireo namany roa hafa. Raha niakatra ny revy dia nivadika ny raharaha satria norahonan’izy ireo tamin’ny antsy ilay tovovavy ary noterana hitaingina moto namonjy ny toerana efa nomanina hanaovana ilay fanolanana tambabe, izay tsy lavitra teo ihany.

Tranom-panjakana. Tsy afa-nanohitra ilay tovovavy noho ny fandrahonana tamin’ny antsy azony. Vao tonga tao amin’ilay toerana nitondrana azy, izay tranom-panjakana, dia nampisotroan’izy ireo ranon-javatra izy ary nalemy avy eo. Samy nanararaotra nifandimby izy telo lahy nitondra azy aloha, avy eo ilay mpiambina ny tranom-panjakana ; saingy nivadika fanolanana tambabe izany avy eo izay samy nanao izay vitany teo izy efa-dahy. Taorian’izay dia nilaza ny iray tamin’izy telo lahy ny “hamonoana” ilay tovovavy, saingy nanakana izany ilay niantso azy tamin’ny “facebook” ary lasa izy telo lahy avy eo. Mbola nanararaotra faramparany anefa ilay mpiambina talohany nitondrany ilay tovovavy nivoaka ny tranom-panjakana ambenany, izay nahitan’ny zandary nanao fisafoana ny tanàna azy.

Mbola misy faha-5? Vokatry ny nahazo azy, satria tsy nifidy lavaka intsony ireo tovolahy, dia tena simba tanteraka ilay tovovavy araka ny fitiliana nataon’ny mpitsabo azy ka mila fitsaboana sy fandidiana hanarenana izany haingana. Tsy nandà ny zavatra nataony koa ireo telo lahy voasambotra, nahitana an’i Rico 26 taona nikaoty azy tamin’ny “facebook” sy i Ricardo 25 taona ary ilay mpiambina ny tranom-panjakana nanamora sy nanampy tamin’ny fanolanana. Mbola ifampitadiavana kosa ny fahefatra, Ingahy Vicky 25 taona. Ny fanadihadiana anefa no nahalalana fa mbola misy tovolahy faha-5 koa izy ireo tamin’io fotoana io, izay tsy fantatra ny mikasika ity tovolahy ity.

Ny zandary no nisambotra tamin’ity raharaha ity, ny polisy misahana ny heloka be vava kosa no nanao ny fanadihadiana, ka omaly no niakatra fampanoavana izy telo lahy. Mbola notihizana hatramin’ny alarobia ny fihazonan’ny polisy azy ireo noho ny olan’ny fitokonan’ny mpandraharaha ny fonja.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici