- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fahatsiaroavana ny nahafatesan-dRatoa Nadine Ramaroson

Toamasina : Fahatsiaroavana ny nahafatesan-dRatoa Nadine Ramaroson

Tsy nanadino ny andron’ny faha-28 aogositra , fotoana nahafatesan’ny minisitry ny Mponina tamin’ny tetezamita ny rahavaviny Rtoa Ramaroson Danick, ka nanao hetsika iray lehibe tao amin’ny Lapan’ny tananan’i Toamasina, nampirantiana ireo asa vitany sy ny fiainan’ity minisitra maty am-perinasa ity.

Omaly tontolo dia naranty ho hitan’ny olona ny fiainan’ity minisitry ny mponina tamin’ny tetezamita, izay fantatry ny olona tamin’ny fiarovana ny sosialim-bahoaka, indrindra ny mikasika ny resaka tany sy fiahiana ireo marefo ary mahantra. Tao anatin’ny naha-minisitra azy no nanaovany “mada raid” izay isany nampalaza azy ka nahavitany fitetezam-paritra mirefy 124.000km be izao manerana ny Nosy;  nahavitany horonan-tsary manokana mihitsy izay nambaran’ny Rtoa Ramaroson Danick fa tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena, noho ireo tranga ifotony ao anatin’ireo tahirin-kevitra sy sary vitan-dRtoa Nadine Ramaroson ireo nandritra io “mada raid” nataony sy ny ekipany io.

Raha hiverenana ny tantara, dia ny famonjeny ny fetin’ny trozona tao Sainte-Marie izay nisiana hetsika ara-tsosialy no nitera-doza ny vedety nitondra azy ireo teo am-pidirana ny vavalapasy ao Soanierana Ivongo, ka maty tamin’izany Rtoa Nadine Ramaroson sy ireo mpiara-miasa taminy enina mianadahy, ankoatra ireo mponina  enina nanavotra azy ireo saingy nipoahan’ny moteran’ilay vedety. Dimy tao lasa no efa nametraka fitoriana ny raharaha ny fianakaviany teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany teto Toamasina, ity maty rahateo sady minisitra am-perinasa no maty avy namita ny adidiny tamin’ny maha-minisitra azy; nefa dimy taona aty aoriana tsy misy tohiny ny raharaha tsy mandroso tsy mihemotra ny antontan-taratasin’ady, izay voamarina fa mbola eo anivon’ny fitsarana Toamasina.

Ankoatra izay, dia nampahafantarina nandritra ity hetsika manokana ho fahatsiarovana ny dimy taona nahafaty an’i Nadine Ramaroson izao ihany koa ny tantaram-piainany, izay nananganany ny orinasa “Biomad” taorian’ny fahavitan’ny fianarany teto Madagasikara, sy ny orinasa “Madisco” tany Soisy ary ny naha-talen’ny varotra, 2004 – 2008, ny orinasa mpanokatra savony “Savonnerie Tropicale”.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici