- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina- Fakana an-keriny : Karohina i Rosine Kalanoro sy Stéphanie

Toamasina- Fakana an-keriny : Karohina i Rosine Kalanoro sy Stéphanie

Tsy mbola mifarana ny raharaha nakana an-keriny an’i Arnaud sy i Annie, tany Toamasina tamin’ny taon-dasa. Fantatra amin’izao fotoana izao fa ankoatra ireo olona folo efa nampidirina am-ponja dia misy dimy hafa koa nalefa any amin’ny fonja samy hafa tamin’ny 2 febroary teo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa anisan’ny voarohirohy amin’ity zavatra ity izy dimy ireo. Ankoatra izany, karohina fatratra ny vehivavy roa, ka ny iray efa namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana. Stéphanie no anarany. Ny faharoa kosa dia ilay manana anarana hoe Rosine Kalanoro. Ity farany ity dia efa nigadra teny Antanimora ny 20 oktobra 2014, noho ny raharaha fakana an-keriny sy fikambanan-jiolahy nefa dia voalaza fa nandositra ny fonja, ny 27 Jolay 2015 lasa teo. Ity vehivavy mpimasy ity no mpanome toromarika ireo mpaka an-keriny nandritra ny « kidnapping » niseho tany Toamasina, ny taona 2014 izay nampidirana olona  enina am-ponja. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy no nahafantarana fa, niara-nandositra izy roa vavy voatonona etsy ambony ireo.

Manentana ny vahoaka hatrany ny polisim-pirenena mba ho mailo, satria ny olona mampiantrano na manampy amin’ny fandosiran’ ireo olona maromaro namoahana « avis de recherche » dia raisina ho mpiray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy ireo. Noho izany, izay manana vaovao mahakasika an’i Stephanie sy Rosine Kalanoro mpimasy na i Tidakely, dia iangaviana mba hiantso ny laharana 034 05 517 26 na ihany koa hanatona ny Tobin’ny Polisy na Zandary akaiky azy indrindra, fa horaisina ho tsiambaratelo tanteraka izany vaovao izany.

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici