Tsy sambany nitranga teto Toamasina ny fanaovan’ny ara-tafika lanonana ka misy hatrany ny kotoatoa amin’ny resaka arofenitra, izay hanavahan’izy ireo mihintsy ny solon-tenam-panjakana hatramin’ny lehiben’ny OMC lehiben’izy ireo ara-pilaminana sy ara-fahandriampahalemana, sy ireo fahefana ara-tafika. Tranga faha-03 niseho omaly teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena nandritra ny lanonana famindram-pibaikoana teo amin’ny zandary sy ny miaramila ity. Tamin’ny 10ora ny fotoana nomen’ny zandary sy ny miaramila fa nanombohan’ny lanonana omaly misandratr’andro ity, saingy tsy nanomboka izany raha tsy 45min taty aoriana. Raha efa 48ora talohan’ity lanonana ity mantsy ireo mpikamban’ny fampihavanam-pirenena roa notarihan’ny filoha lefiny avy eto Toamasina, no nampandre ny arofenitry ny lanonana dia tsy nisy toerana natokana ho azy ireo teo ambony sehatra. Vao maika koa niampy ity teny avona sy feno tsy fifanajana natao na kolonely miaramila iray nilaza fa “afaka tsy mihatrika ity lanonana ity ianareo, fa lanonana natokana ho an’ny tafika ity fa tsy ho an’ny sivily”, dia niray hina avokoa izy rehetra niala tsy nihatrika ny lanonana na efa nisy fifonana aza nataon’ireo tompon’andraikitry ny zandary sy miaramila. Vaky izany ilay ady mangatsiaka teo amin’ireo solon-tenam-panjakana sy ireo fahefana ara-tafika Toamasina, izay efa hita izany tamin’ny tsy fandraisana baiko midina. Na teo aza ity olana ity dia natao ihany ny lanonana famindram-pibaikona ara-tafika teo amin’ny araben’ny fahalevan-tena. Nanomboka omaly izany dia ny Lt Kly Ralaikoa Armandin izany no mpibaiko faha-27 eo anivon’ny vondrompilevan’ny zandary atsinanana eto Toamasina, izay nisolo an’ny Kly Harimanantsoa Lala Angelot izay misahana ny andraikitry ny lefitry ny komandin’ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina. Ny Kly Randriamifidy Andy Patrick kosa no mpibaiko faha-18 ny rezimanta voalohany ny faritany miaramila faha-03 eto Toamasina, nisolo ny Kly Razafitombo Maminirina Elys izay misahana asa hafa ao Antananarivo. Samy nampiseho ny fahaizany sy ny fianarana nataony ary ny traik’efa ananany avokoa ireto mpibaiko vaovao eo anivon’ny zandary sy ny miaramila ireto, ka ny fanatsarana ny asa sy ny fampanaran-dalana ny olombelony avy ho an’ny “Tanindrazana sy ny Lalana” no napetraka tamin’izy ireo avy.
Malala Didier