- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fanafihana ny « Accès Banque », 10 tapitrisa ariary ny...

Toamasina : Fanafihana ny « Accès Banque », 10 tapitrisa ariary ny vola lasa

Nivoaka ihany ny farany ny sandan’ny vola lasan’ireo jiolahy nanafika ny “Accès Banque” Bazary kely teto Toamasina, ny alarobia antoandro teo. Mitentina 10 tapitrisa ariary teo izany raha ny fampitam-baovao azo, niampy ireo vola sy ny findain’ireo mpanjifa nandritra izany. Voamarina, fa tsy nisaron-tava ireto jiolahy ireto tamin’ny fanafihana nataony, dia ny vaovao ihany koa no nahalalana fa efatra ny tena jiolahy nandritra ny fanafihana ka ny roa no tao anatin’ny banky samy nitondra poleta iray avy, raha ny roa hafa niandry tety ivelany niaraka tamin’ny moto nentin’izy ireo, ireo olona roa hafa izany tsy misy idirany amin’ity fanafihana ny banky tao Bazary kely ity. Ireo vola rehetra tamin’ny “caisses” tao amin’ity “Accès Banque” ity no nalain’ireto jiolahy ka eran’ny kitapo iray nentin’ireo jiolahy feno ireo vola tao amin’ity banky ity, nandritra ny halatra. Mifamahofaho ny vaovao azo mikasika ity fanafihana ny “Accès Banque” tao bazary kely Toamasina ity, satria maro ireo milaza fa angaha tsy manana “cameras” mpanara-maso ny banky no sarotra ny fikarohana ireo jiolahy ; izay tsy nisaron-tava akory? Fa angaha tsy manana mpiambina sivily ny banky mba hamantarana ny tena zava-nisy nandritra ny halatra? Raha mitohy izao, dia miteraka tsy hafatokisan’ny mpanjifa izany, ka hanaisotra ny volany ao avokoa ireto mpanjifa izay saika mpivarotra sy mpamongady ary mpanangom-bokatra  ny mpanjifan’ity banky ity, raha ny fanampim-baovao azo hatrany. Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha, satria efa nametraka fitoriana eo anivon’ny polisim-pirenena ny “                Accès Banque” ankehitriny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici