Omaly antoandro tokony tamin’ny 10 ora maraina dia jiolahy telo mitam-basy, nitondra basy PA, no nanafika ny fivarotana “Orange” tao Ambolomadinika. Ankoatra ny vokatra “Orange” ataon’ity tranombarotra ity, dia manao ny asa fanakalozam-bola ihany koa izy ireo amin’ny alalan’ny “Orange Money”. Tonga toy ny mpanjifa rehetra izy ireo ka ny iray lahy niditra ny fivarotana, ny roa kosa niandry ny moto Scooter nentin’izy ireo teo ivelany. Vao niditra anefa izy dia voambana basy ilay mpihazona ny vola tao anatin’ilay tranombarotra, ka avy hatrany nanome ny vola 600.000 ariary tao aminy an’ireto jiolahy. Tsy naharitra ela ny zava-nitranga ka raha vao nahazo ny vola notadiaviny ireto jiolahy dia nivoaka avy hatrany ary lasa nitondra ny moto scooter-ny. Vao nahita izany kosa ity mpiambina ny tranombarotra dia nanenjika ireto jiolahy ka tamin’izay no nitifiran’ireto jiolahy azy, nahavoa azy, izay efa nahazo fitsaboana teo anivon’ny hopitaly be taorian’izay. Tsy ela taorian’izay dia tonga ny mpitandro ny filaminana. Tamin’izay no nahalalana fa nitsoaka niditra ny lalam-pasika tsy lavitra ilay tranombarotra “Orange” ireto jiolahy nitondra moto. Tsy nisy sahy nanakana azy ireo mpandalo noho izy ireo sady nanambana basy no nitsoaka. Niezaka nanara-dia sy nikaroka ireto jiolahy telo mitondra basy PA ireto ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy hita intsony ny nisy azy ireo sy ny toerana nalehan’ireto jiolahy telo ireto.
Malala Didier