- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina - Fanaovana vola sandoka sy fisolokiana : Tratran’ny polisy i Didier,...

Toamasina – Fanaovana vola sandoka sy fisolokiana : Tratran’ny polisy i Didier, Faby, Patrick, Eridia ary Martial

Taorian’ny fahatrarana ilay vola sandoka sy fisolikiana mitentina 11 tapitrisa ariary tany Soanierana Ivongo, dia nitohy tao Toamasina ny fanaraha-mason’ny polisy, satria araka ny loharanom-baovao azon’ireo polisy tao Soanierana Ivongo dia avy ao Toamasina no namboarina ny vola.

Ho an’ny ekipan’ny kaomisera Razafindahy Manitra sy ny lefiny kaomisera Rajaobelina Zo, dia nahatratra dimy lahy mpanao vola sandoka sy mpisoloky izy ireo. Maka vola aman’olona ireto mpisoloky ireto fa hoe mpampitombo vola, ka ramatoa iray no nahazoan’izy ireo vola 100 tapitrisa ariary ny zoma lasa teo, raha avy noresen’ny mpiasa mpamily fiarakaretsaka lahatra, fa haverina avo roa heny ny volany afaka 24 ora monja. Taorian’izay dia anefa nanjavona ireto, mpisoloky sy mpanao vola sandoka ireto izay miisa enin-dahy. Nitory ilay ramatoa ary nanomboka teo ny fikarohana azy ireo.

Nifampizarana ny asa natao. Ny taratasy miendrika vola 10.000 ariary sy ny 5.000 ariary sy ny “imprimante”, ary ny ranomainty hanaovana azy, izay i T. Sasa mpitondra posy no nisahana azy. Ingahy  Patrick mpamily fiarakaretsaka kosa no mpandevilevy ilay ramatoa mpampiasa azy. I R. Faby, mpivarotra entana ambongadiny ao Mangarivotra atsimo no nisahana ny fitaterana ny vola azo tamin’ny fisolokiana natao, ary Ingahy S. R. Didier, izay zanaka kolonely miaramila efa misotro ronono mipetraka ao Andranomadio kosa no nisahana ny fitehirizana ny vola azo tamin’ny fisolokiana rehetra. Raha natao ny fikarohana azy ireo dia tratra ny sabotsy teo nanoloana ny paositra be ny roa, i Didier sy Eridia. Ny fisavana ny tranon’Ingahy Didier no nahatrarana ny ambim-bola 32.210.000 ariary. Izy ireo avy eo no nanoro ny namany ka tratra tamin’izany Ingahy Faby sy Sasa, izay nahatrarana ny fitaovana rehetra. Araka ny vaovao farany dia saron’ny polisy omaly maraina i Martial, ilay faha-05.

Raha niakatra fitsarana omaly maraina izy efa-dahy tratra voalohany, izay enjehin’ny fitsarana noho ny “fanaovana fikambanan-jiolahy, fanaovana vola sandoka, ary fisolokiana olona”, dia namoahan’ny mpitsara mpanao famotorana didy fonja vonjimaika alohan’ny fitsarana, ao Ambalatavoahangy. Ilay faha-05 mbola mandalo fanadihadian’ny polisy ary  mbola karohina ilay hafa-06.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici