- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fanaparitahana vola sandoka, olona efa nigadra 20 taona no atidoha

Toamasina : Fanaparitahana vola sandoka, olona efa nigadra 20 taona no atidoha

Hisokatra anio ny taom-pihotazana lodsia ho an’ny faritra Ananjirofo sy ny faritra Atsinanana, ao anatin’izany anefa dia tsy kely lalana ireo mpanao ratsy , ka misy ny mihevitra ny hanaparitaka sy nahadio ireo vola sandoka ataony amin’ireo tantsaha sy amin’ireo mpitatitra. Raha ny fanazavana nataon’ny polisin’ny boriborintany I eto Toamasina, dia herinandro lasa izy ireo no naharay fitarainana sy fitorian’olona mikasika ireto andian’olona roa manaparitaka vola sandoka tao amin’ny fokontanin’i Mangarano. Amin’ny maha heloka be vava ny fanaovana sy fihazonana ary fampiasana vola sandoka eto amintsika, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ireto polisin’ny boriborintany I ireto nanao fanadiadiana sy ny fitsirihana ireto mpanao vola sandoka voalazan’ny olona ireto. Nisy ny velam-pandrika nataon’ny polisy ho fisamborana azy ireto ambodiomby, ka ny alahady 19 novambra teo raha tsy nanampo na inona na inona ny iray tamin’ireo mpanaparitaka vola sandoka ireto, dia nosamborim-potsiny. Raha nosavaina ny tany am-paosiny dia nahitana vola sandoka 10.000 ariary niisa efatra izay saika mbola hamitahany mpivarotra ihany koa satria tsy nisy afa-tsy io vola sandoka io ny tany aminy, tsy ela taorian’izay dia nanaraka ny namany ka mora tamin’ireo polisy no nisambotra azy ihany koa izay mbola niaraka tamin’ny sakosy. Raha nosavain’ny polisy ity sakosy ity dia hita tao ireo fitaovana fanamboarany ireto vola sandoka ireo, izay karazana ranomainty avo lenta sy lafo vidy. Avy hatrany dia nohazonina ingahy isany Randrianasy Tolin 35 taona, sy Léon Jacques 40 taona. Fa ny tena nahagaga ny polisin’ny boriborintany I misahana ny raharaha araka ny tahirin-kevitra ao amin’izy ireo, dia isan’ny mpamerin-keloka amin’ity fanaovana vola sandoka 10.000 ariary ity ingahy Léon Jacques, tamin’ny heloka farany nataony izay nitsarana azy ny taona 2008 teo anivon’ny fitsarana ady heloka eto Toamasina, dia voasazy higadra manao asa an-terivozona 20 taona ny tenany, nefa izao nivoaka ny fonja manao vola sandoka izao indray nefa tokony ny taona 2028 izy vao mahavita ny saziny ary tsy isan’ny mpahazo ireo fanenan-tsazy omen’ny filoham-pirenena in-2 isan-taona ny mpanao vola sandoka noho izy heloka be vava tsy mpahazo izany araka ny lalana. izany dia nomarihan’ny polisin’ny boriborintany I ihany koa fa saika tao amin’ny fokontany Mangarano ity avokoa no mivoaka ireo vola sandoka miparitaka eto Toamasina; ka izany no nanaovan’izy antso avo ho an’ireo mpanangom-bokatra sy mpitatitra lodsia mba ho mailo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici