- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Fanapoahana tsipoapoaka

Toamasina : Fanapoahana tsipoapoaka

Mifonja vonjimaika ao Ambalatavoahangy ilay bevohoka nitaraina

“Tena fananaraotam-pahefana mihitsy no nahazo ny fianakavianay, nahoana ny havanay bevohoka nitaraina amin’ny fanapoahana petara tao an-dakoronay indray no nofonjaina vonji- maika ao Ambalatavoahangy”. Izay ny fitarainan’ny fianakavian’ity ramatoa miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy ity, noho izay resaka tsipoapoaka izay.

Raha ny angom-baovao natao, efa nanomboka ny 31 may teo dia saika isan-kariva dia fanaon’ity zanaka mpitsara iray ity sy ny namany ny manapoaka petara amin’ity tranon’olona ity, ka isaky ny mijery ny zava-misy ilay ramatoa bevohoka, dia efa mandositra ireo ankizy mpanapoaka izany. Ny zoma 14 jona teo ary, dia tratran’ilay ramatoa bevohoka ilay ankizy nanapoaka ilay petara, ka nosamboriny sy notenenin’ny mafy ny tsy hanapoaka izany eo aminy. Amin’ny maha-zanaka mpitsara azy eto Toamasina, dia izy indray no niantso ny reniny, ka ity farany no nanangan’ady tamin’ilay ramatoa bevohoka. Nitory teny amin’ny polisy misahana ny heloka be vava teto Toamasina ilay ramatoa mpitsara fa hoe nidaroka an-janany mpanapoaka petara ilay ramatoa, izay nakany mihitsy taratasy tamin’ny mpitsabo fa hoe tsy afa-mihetsika 15 andro ny zanany (?) vokatr’izany. Ny sabotsy 15 jona dia notanana teny amin’ny polisy ilay ramatoa bevohoka. Ny alahady 16 jona anefa mba tsy hitaran’ny raharaha, na manana ny marina amin’ny zava-nanjo azy aza ny fianakavin’ilay ramatoa bevohoka, dia nifona sy niala tsiny tamin’ilay mpitsara nefa ny alatsinainy 17 jona teo raha noteren’ity mpitsara hakarina eo anivon’ny fampanoavana ny raharaha. Taorian’ny fifanilihana ny fisahanana ity raharaha teo amin’ireo mpitsara nahita ny raharaha izay misy fanamparam-pahefana anatiny, dia nampidirina am-ponja vonjimaika ilay ramatoa bevohoka eo am-piandrasana ny fitsarana azy anio alatsinainy 24 jona tolakandro.

Lasa resabe eo anivon’ny fitsarana eto Toamasina ity raharaha ity ankehitriny, saingy noho ny fifanohanana eo amin’ny maha-samy mpitsara, dia tsy maintsy atao ihany ny fitsarana ny raharaha. Raha ny angom-baovao, dia efa tonga eny anivon’ny minisiteran’ny fitsarana ny raharaha fanamparam-pahefana na mpitsara ity, ka ho hita eo ny tohiny…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici